airtel

Sosialy

23-juin-2023

Sosialy

Zokiolona tsy afaka naka solombodiakoho

Sample post image

Hidina hitety tanàna hanatitra izany ny Ben’ny tanànan’Alasora

23-juin-2023

Notanterahina tamin’ny alarobia teo ny fizarana solombodiakoho noho ny fahatongavan’ny fetin’ny Asaramanitra ho an’ny kaominina Alasora Avaradrano. Zokiolona manodidina ny 1.300 isa no nisitraka izany izay nozaraina tamina toerana roa ho an’ireo Fokontany miisa 13 dia ny tao amin’ny kianja maintson’Alasora sy ny tao amin’ny Yandy By pass. Raha araka ny fanazavan’ny Ben’ny tanàna Randriantsoa Jimmy dia efa 4 taona tamin’ity taona 2023 ity no nanaovany izao hetsika izao ho fanajana ny Ray aman-dReny. Na izany aza anefa dia nisy ihany ireo tsy mba afaka naka izany noho ny antony ara-pahasalamana. Nisy ihany koa ireo nandefa solontena saingy tsy nahazo izany ihany koa noho ny fandaminana. Mba ho fanampiana ireny karazan’olona ireny ary dia fantatra fa hidina hitety Fokontany hamangy sy hanatitra ny anjara solombodiakoho ho azy ireny ny Ben’ny tanàna. Mikasika ny fanampiana ireo mpiasa kosa dia fantatra fa anio zoma 23 jona folakandro no hanatanteraka izany ny kaominina ka ankoatra ireo kartie mobila, dia hahazo ny anjarany ihany koa ireo Ben’ny tanana teo aloha efa nitantana ny kaominina sy ireo nanao fisoloan-toerana na interim.
Pati
Legende : Na izany aza efa betsaka ireo nahazo
 

Dans la même rubrique

19-mai-2025

Navoitran’ny tatitra “Born into the Climate Crisis 2. An Unprecedented Life :

Card image cap
19-mai-2025

Mahatratra 2.400 ny isan’ireo mpiasa maty am-perin’asa isan-taona ho antsika eto Madagasikara,

Card image cap