airtel

Sport

15-juin-2026

97 taona nisian'ny Mondial

Firenena 6 no efa rava tsy misy intsony

Sample post image

97 taona amin’ity andiany faha 23 ity

15-juin-2026

ny fiadiana ny amboara erantany eo amin’ny taranja baolina kitra. Niantsoana azy hatramin’izay koa ny hoe fetin’ny mpanjakan’ny fanatanjahantena. Ankoatran’ny lafiny maha fifaninanana iraisampirenena azy dia neverina hatrany fa misy lafiny ara-toekarena, kolontsaina, fizahantany, eny, politika iraisampirenena na hoe jeopolitika goavana be nofonosin’ny fandraisana sy fikarakaràna ity fifaninanana isan’ny goavana indrindra manerantany eo amin’ny lafiny fanatanjahantena ity hatramin’izay. Tafakatra 48 ankehitriny ny isan’ireo ekipam-pirenena mandray anjara amin’ity fifaninanana noforonin’ilay teratany frantsay antsoina hoe Jules Rimet ity. Niisa 13 izany ny taona 1930, izay nanombohany tany Uruguay ny 13 hatramin’ny 30 jolay 1930. Ity firenena nampiantrano ity ihany koa no nahazo voalohany ny amboara rehefa nandresy 4 noho 2 an-dry zareo arzantinina. Ny ekipam-pirenen’i Brezil kosa no efa nahazo amboara betsaka indrindra. In-dimy izay, izany hoe, ny taona 1958, 1962, 1970, 1994, 2002. Tsy mbola nahazo izany mihitsy hatreto ny firenena niforonan’ny baolina kitra na i Angletera, izay nipoirany tamin’ny taonjato faha 19 tamin’ny alalan’ireo mpianatry ny kolejy sy oniversite britanika. Maro, araka ny efa nambara teo, ny fifamatoran’ny tantaran’izao tontolo izao sy ity fifaninanana ara-panatanjahantena goavana iray ity. Maro ny azo lazaina hoe fikorontanana jeopolitika niseho tao anatin’izay fotoana lavabe izay ary heverina fa isan’ny mampangotsoka amin’ny maha olompirenena malagasy ihany amin’izao fotoana izao ny misaina hoe efa nisy firenena tsy misy intsony amin’izao fotoana izao nefa efa isan’ny nandray anjara tamin’ity fifaninanana ity tany aloha tany. Isan’izany ny URSS, izay niova ho Rosia taty aoriana ny anarany rehefa nianjera ny rindrin’i Berlin. Tsy nisy mpiresaka intsony izany URSS izany taorian’ny desambra 1991 nefa efa im-pito nandray anjara tamin’ny amboara erantanin’ny baolina kitra. Firenena faharoa efa niova anarana koa i Tchécoslovaquie, izay nizara roa nanomboka ny taona 1993, dia i République Tchèque sy Slovaquie rehefa avy nandray anjara im-balo. Efa im-balo nandray anjara koa i Yougoslavie teo anelanelan’ny taona 1930 hatramin’ny 2003, izay niova ho Serbie et Monténégro moa izany taty aoriana, araka ireny niaraha-nahita tamin’ny amboara erantany 2006 ireny. Amin’izao fotoana izao dia efa niova ho Serbie sisa rehefa nangataka fahaleovantena i Monténégro. Ny ekipam-pirenena alemanina miisa 2, izay nisy talohan’ny oktobra 1990, izany hoe, ny RFA na Repoblika federalin’i Alemainina sy ny RDA na Repoblika demokratikan’i Alemainina dia efa nifanandrina tanaty amboara erantany ny taona 1974 ary resin’i RDA 1 noho 0 ny RFA, izay anarana notazonin’ny Rainiboto ankehitriny rehefa nianjera ny rindrin’i Berlin. RFA nefa no nampiantrano ny lalao tamin’izany ary fifanintsanana isam-bondrona izany. Efa mba nametraka ny dian-tongony koa izany ekipam-pirenen’i Indes Orientales Néerlandaises izany. Io izany no firenena aziatika voalohany tany amin’ny dingan’ny famaranan’ny fifaninanana. Nitaky fahaleovantena tamin’i Pays Bas moa ity firenena ity ny taona 1945 ary lasa hoe Indonezia no anarany ankehitriny. Ho an’i Afrika sobsaharianina kosa dia i Zaira, izay lasa Repoblika demokratikan’i Kongo na RDC taty amin’ny taona 1997 no namaky lay ny dingan’ny famaranan’ity fifaninanana ity ny taona 1974, izany hoe, tany Alemanina. Firenena miisa 6 efa tsy misy intsony ireo fa mba miandrandra isika, araka izany, ankehitriny ny mba hahitàna an’izany Barean’i Madagasikara izany amin’izay mandray anjara amin’izy ity amin’ny taona 2030.
Nangonin’i J. Mirija
 

Dans la même rubrique

15-juin-2026

Hotanterahina ny 19 ka hatramin'ny 21 jona

Card image cap
15-juin-2026

fiparitahan'ny aretina Ebola

Card image cap
12-juin-2026

mety manao fifidianana, tsy nahazo fankatoavana iraisampirenena…»

Card image cap