hoy ny filohan’ny federasionina malagasin’ny taranja ady totohondry, Hery Mamy Rabarisoa. Nanome fanasàna manokana ny federasionina malagasin’ny ady totohondry ny fanjakàna kaomorianina, hoy izy. Niteny moa aho hoe tsy manana saram-piaramanidina ankanesana any izahay. Niteny indray ry zareo hoe iantohanay ary ny atsasaky ny saram-piaramanidina sy ny fampiantranoana fa mba teneno ny minisiteranareo. Namaly aho hoe tsy manana fahafahana amin’izany mihitsy izahay satria tsy manana «conformité» na fankatoavana avy amin’ny minisitera ahazoana famatsiam-bola. 2 andro mialohan’ny fotoan-dehibe ry zareo no namaly hoe entohanay daholo ary ny rehetra. Teo vao nikoropaka aingana ho an’ireo mpilalao manana pasipaoro. I Cédric, 51 kilao, sy Sitraka, 57 kilao, ary ny 86 kilao no nanana pasiopaoro teo dia nalefa haingana niaraka tamin’ny mpanazatra iray sy mpitsara iray. Nahazo medaly volamena ny 51 kilao. Nandresy ny malagasy, noho ny fisalasalàna, ny kaomorianina teo amin’ny 57 kilao rehefa nibolisatra niala ny kianja i Sitraka. Ny harivan’iny ihany nefa ny atleta kaomorianina dia tonga tao amin’ny hotely nisy anay nanatitra ilay medaly volamena ho an’i Sitraka satria niaiky fa i Sitraka no mendrika dia natakalony volafotsy ilay volamena. Resy K.O fiodinana voalohany kosa ny 86 kilao satria fohy no sady ngeza ny antsika. Ny azy lava ranjanana no sady tomady ara-batana ary mpikatroka «semi-professionnelle» na matihanina any Frantsa. Mandray anjara amin’ny tompondakan’i Frantsa foana io. Mila hay ny mitantana ny fotoana, ringa, tekinika amin’ny ady totohondry ary nampiaiky ireo vahiny isika na tsy ampy aza ny fanomanana. Mila manana pasipaoro vao mahazo manao fitsapàna anaty ekipam-pirenena. Na hanao fifaninanam-pirenena koa aza satria tsy afaka mivoaka any ivelany rehefa tsy misy pasipaoro. Tsy manana mpitsara miisa 18 manana pasipaoro isika rehefa misy fampiofanana mpitsara iraisampirenena ireny nefa izay no isan’ny mpitsara tadiavin-drizareo. Toy izany koa ny mpanazatra satria 200.000 Ariary latsaka 1000 Ariary izao no manao pasipaoro. Ny federasionina nefa tsy misy famatsiana avy amin’ny fanjakàna, tsy misy na inona na inona, ka sarotra be ho azy ny miantoka pasipaoron’olona am-polony mahery toy izany. 2 andro dia vita ny fikarakaràna pasipaoro amin’izao fandrosoan’ny tekinolojia izao. Alefa Whatsapp dia vetivety dia vita. Misy adin’ny 5 aza ny an’ny iray tamin’ireo atleta ireo. Madagasikara, Kaomoro, Gabon, Tanzania moa no nandray anjara tany. Nilaza hanafatra antsika koa ny gaboney ary nilazàna ny zava-misy eo amin’ny tontolon’ny ady totohondry eto Madagasikara. Niaiky ny fahaizan’ny malagasy ady totohondry ny vahiny na dia tsy hitany loatra any amin’ny tompondakan’i Afrika sy ny toy izany aza. Efa anatin’ny rà malagasy moa io. Isika manana ny moraingy ary izay no hanaovana antsoavo amin’ny minisiteran’ny tanora sy ny fanatanjahantena hoe mba jereo io taranja io satria efa nankatoavin’ny World boxing na federasionina iraisampirenena ny federasionina malagasy mijoro ankehitriny. Ny CIO koa efa nanaiky ary nanamafy izany ny komity olaimpika malagasy saingy ny minisitera sisa io andrasana io. 15 taona mahery izao no tsy nandray anjara tamina fifaninanana iraisampirenena lehibe i Madagasikara vokatr’izany,…
J. Mirija