airtel

Sport

08-août-2022

Sport

Afrobasket U18 Namiratra ny Malagasy

Sample post image

Nitohy fahombiazana ho an’ny Ankoay sokajy lehilahy amin’ny fiadiana izay ho tompondakan’I Afrika latsaky ny 18 taona ny “Afrobasket U18”,

08-août-2022

ary afaka nanarina ny faharesena tamin’ny lalao voalohany ihany koa ny sokajy vehivavy. Ny ekipam-pirenen’I Algérie no nifandona tamintsika omaly na ho an’ny lehilahy n any vehivavy. Taorian’ny fandresena miezinezina 102-41 nanoloana an’I Bénin tamin’ny andro voalohany, nandresy an’I Algérie 55-49 indray ny Malagasy omaly. Nitarika hatrany tamin’ny ampaham-potoana efatra ny Malagasy, saingy somary nanana fahasarotana kokoa nitaha tamin’ny fifandonana tamin’I Bénin. Nisongadina hatrany ilay mpilalao Malagasy I Mathias M’Madi. Ambony ny herijika hiakarantsika amin’ny dingana manaraka. Nandresy mazava ny Sénégalais 94-39 an’i Bénin i Sénégal,… Nialohan’izao, efa nandresy 76-59 an’i Algérie i Sénégal, Resin’i Guinée 64-44 i Rwanda, lavon’i Mali 46-51 i Egypte. Ho an’ny lalao anio kosa, hifandona amin’I Sénégal isika amin’ny 5ora sy sasany hariva, ialohan’ny lalaon’I Algérie sy Bénin, Angola sy Rwanda, ary aorian’ny lalaontsika no hifandona I Guinée sy Mali. Lalao isan’ny tena andrasana ny antsika sy Sénégal izay samy tsy mbola nisy resy tamin’ny lalao natao. Tetsy ankilany, nandresy 59-43 ihany koa ny sokajy vehivavy, izay nitarika hatrany am-boalohany, saingy raha tany amin’ny 30 ny elanelan’isan’ny roa tonta, dia nanezaka mafy ny Alzerianina raha toa somary nanary baolina betsaka kosa isika Malagasy. Nomontsanin’I Mali 100-40 kosa I Ouganda, izay nandresy antsika 59-54. Ho an’ny anio, hifandona amin’i Mali ny Malagasy amin’ny 3 ora tolakandro, izay heverina fa lalao ho sarotsarotra ho antsika. Ialohan’ny lalaon’i Ouganda sy Algérie io, ary aorian’ireo lalao roa ireo ny an’i Tanzanie-Guinée sy Egypte sy Angola.
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Fanapahan-kevitra maromaro no noraisina sy nankatoavin'ny ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly ho an’ny lafiny fanatanjahantena.

Card image cap
25-avril-2024

Vahiny mangan'ny ligin'ny baolina kitra ny Diana i Arsène Malabary.

Card image cap
25-avril-2024

Banga iray indray ny lomano malagasy. Norimandry omaly ny Kolonely Jaovanona

Card image cap