airtel

Sport

11-mars-2022

Sport

Analamahitsy tanàna Notokanana ny kianja “multisports” faharoa

Sample post image

Notokanana omaly tetsy Analamahitsy tanana ny kianja “multisports” faharoa M’Hetsika MVola. Araka izany anarany izany dia tohin’ireo tetikasa kianja marolafy eo anivon’ny orinasa MVola

11-mars-2022

 izy io ary iarahany miasa amin’ny kaominin’Antananarivo renivohitra sy ny Fondation Axian. Tonga nanotrona izany teny an-toerana moa ny ben’ny tananan’Antananarivo, ny lehiben’ny fokontanin’Analamahitsy, ny tale misahana ny fanatanjahantena eo anivon’ny kaominin’Antananarivo renivohitra ary ireo ekipan’ny Axian sy MVola. Tanjona ao anatin’ny fanitarana hatrany ny tetikasa toy itony, hoy ny fanazavana, ny hahafahana mampiroborobo ny fanaovana fanatanjahantena ho tonga fanoitry ny fanabeazana sy fahasalamana ary famerenana anaty fiarahamonina indray, indrindra, ireo tanora nahiliky izany fiarahamonina izany na revo amin’ny zava-mahadomelina sy fidonanam-poana ihany koa.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Hetsika ara-panatanjahantena fanao isan-taona natao hampiray ireo mpisehatra amin’ny

Card image cap
26-avril-2024

Azo lazaina ho mametraka ny traikefany tanteraka amin’izao fotoana ilay irakiraka

Card image cap
25-avril-2024

Fanapahan-kevitra maromaro no noraisina sy nankatoavin'ny ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly ho an’ny lafiny fanatanjahantena.

Card image cap
25-avril-2024

Vahiny mangan'ny ligin'ny baolina kitra ny Diana i Arsène Malabary.

Card image cap
25-avril-2024

Banga iray indray ny lomano malagasy. Norimandry omaly ny Kolonely Jaovanona

Card image cap