airtel

Sport

24-févr-2025

Ankoain’i Madagasikara

Tafita hiatrika ny Afrobasket 2025 any Angola

Sample post image

Tafita any amin’ny dingana famaranan’ny FIBA Afrobasket 2025 andiany faha-31 hatao any Angola

24-févr-2025

ny 12-25 aogositra 2025 ny Ankoain’i Madagasikara taorian’ny dingana farany tamin’ny Fiba Afrobasket Qualifiers notanterahana teto Madagasikara. Nahazo fandresena iray ary faharesena roa isika tao anatin’ny dingana faran’ny FIBA Afrbobasket Qualifiers notanterahana teto amintsika ny 20-23 febroary, ka ny fandresena nanoloana ny Egypte tamin’ny moka fohy 82-80 no nahazoantsika ny tapakila. Isan’ny mafy tao anatin’ny Vondrona nisy antsika i Egypte, saingy vitan’ny Malagasy no nanoratra tantara, lalao tena faran’izay nampitaintaina. Nitarika 30-16 ny Malagasy nandritra ny fizaram-potoana voalohany, mbola nitarika 41-38 ny fizaram-potoana faharoa, saingy nitsimbadika 58-63 ny fizaram-potoana fahatelo. Niady tanteraka ny fizaram-potoana faha-4, nisy fotoana nitarika elanelana 11 aza ny ejiptianina, ary efa nitarika isa 7 ihany koa isika, saingy io isa 82-80 io ny nisarahana noho ny paikadintsika nahomby tamin’ny segaondra farany satria 3 segaondra tsy hiravana no matintsika ny baolina ka tsy afaka namono baolina intsony ejiptianina. Niavaka tanteraka i Mathias Madi ho an'ny lalao roa boalohany satria nahazo isa 17 tamin'ny lalao nataon'ny Ankoay sy Côte d'ivoire, 18 kosa kosa nandritry ny fihaonana tamin'i Egypte. Izy araka izany no mampiditra baolina betsaka indrindra ho an’ny Ankoay. Azo lazaina ho maozatra avokoa ireo mpifanandrina 3 nifandona tamintsika izay marihina fa resin’ny Ivorianina 106-73 isika. Mbola henjana ihany koa ny niatrika an’i Centrafrique izay ny faharesen’izy ireo nanoloana 76-100 nanoloana an’i Côte d’Ivoire no nanokatra ny làlana ho antsika, ka karazan’ny famitana lalao ny fifanandrinana tamin’i Centrafrique izay nandresy 87-75 antsika. Siso kajy isika raha nieritreritra handresy azy mora na niady mafy aza satria tena nirarakpona ny azy ireo nisa 3 tsy tafavoaka isika na niezaka namaly aza i Livio izay nanome isa 19 ho an’ny Ankoay omaly. Na teo aza ny faharesena, nanao ny ainy tsy ho zavatra ireo mpilalao rehetra toa an-dry Sitraka, Hasina,… Ny zava-dehibe dia ny fahazoana ny tapakila, mbola afaka manarina sy manatsara hatrany.
Toky R


 

Dans la même rubrique

27-mai-2025

Anisan’ireo ekipam-pirenena mandray anjara amin’ilay fifaninanana

Card image cap
27-mai-2025

Tompondakan’i Belzika aho, hoy ny lohalaharana malagasy, Loïc lapoussin,

Card image cap