airtel

Sport

24-mai-2023

Sport

Atletisma Mahavelom-bolo ny vitan'i Sidonie sy Claudine

Sample post image

Raha mbola variana amin'ny fanomanantena any Sina ny atleta malagasy izay tsy dia handrenesam-peo firy dia

24-mai-2023

nivoaka tamin'ny fahanginany ireo roa vavy miofana ao amin'ny Toby ao Dakar dia i Sidonie Fiadanantsoa sy Claudine Njarasoa . Nandray anjara tamin'ny fifaninanana ho an'ireo klioba any Lafrantsa mantsy izy mirahavavy ireto ary samy nandrombaka ny medaly volamena teo amin'ny sokajy misy azy I Sidonie aza dia nahavita nanamontsana ny zava-bitany tsara indrindra satria dia 13 segondra 02 no nanaovany ny 100 metatra misy fefy I Claudine indray dia nahavita fotoana tsara teo amin'ny 100 m. 11 segondra sy 69 no nahazoana voalohany ary nabdreseny ireo Frantsay roa dia Elise Toucher sy Tessier Raza. Raha ny zava-bitan'izy roa ireto moa dia azo antoka ny medaly volamena mandritry ny Lalaon'ny Nosy saingy tsy izay no tena tanjona fa ny ahatompodakan'i Afrika ka hitondra azy ireo any amin'ny Lalao Olympika.
Clément RABARY
 

Dans la même rubrique

19-mai-2025

Iaro Razanakoto, antsoina hoe Jormmanbou, dia anisan’ny olo-malaza amin’ny hazakazaka

Card image cap
19-mai-2025

Mety farany vao misy ventiny ity andiany faha-28 n’ny Jeux Corporatifs

Card image cap
19-mai-2025

Resin’ny FDM Sofia tamin’ny isa 3 noho 1 ny FC Mananjary V7V‚ tamin’ny lalao

Card image cap