airtel

Sport

19-mai-2025

Jeux Corporatifs d'Antananarivo

Mihoatra ny 70 ireo orinasa nasaina

Sample post image

Mety farany vao misy ventiny ity andiany faha-28 n’ny Jeux Corporatifs

19-mai-2025

d’Antananarivo hotontosaina ny 14 sy 15 jona 2025 ho avy izao eny Vontovorona ity. Farany mantsy ity hatao ity. Noho ny fangatahan’ny maro dia niverina indray Clément Rabary Organisation izay nanokatra ity lalao ity ny taona 1992 teny Ankatso. Koa satria farany ity dia nantsoina avokoa ireo efa nandray anjara rehetra hatramin’izay. Mihoatra ny 70 ary ireo orinasa na miankina na tsy miankina amin’ny fanjakana sy fikambanana no efa nandefasana ny fangatahana. Mbola tsy fantatra izay tena ho tonga marina fa hatreto dia tena mahavelombolo ny zava-miseho satria dia efa misy ireo naneho fahavononana toa ny Savonnerie Tropicale sy Filatex ary Jirama izay samy orinasa goavana. Misy koa anefa ireo efa nandoa ny saram-pisoratana anarana, ary isan’izany ny Disciples FC, ny NSC ary ireo mpanao gazety ara-panatanjahantena.
HO AN’NY TSY MANANA "LICENCE"
Taranja dimy no hifaninana dia ny baolina kitra lalovin’olona fito, ny basket lehilahy, ny volley ahitana mpilalao vehivavy eny ambonin’ny kianja, ny belote ary ny tsipy kanetibe olon-telo lahy miaraka ary olon-telo ho an’ny vehivavy. Marihina fa tsy mahazo milalao ao amin’ny taranja misy azy ireo mpilalao manana ny licence 2025. Ary izay no tena tian’ireo mpandray anjara ary isan’ny nanintona ny Zandàey izay tompondakan’i Madagasikara eo amin’ny basket sy volley — saingy mety any amin’ny baolina kitra no hijoro ry Elly fa raha matahotra ny haratra moa izy dia afaka manao belote. Ho fitsinjovana izay mety ho faharatrana izay indrindra no nisafidianana ity Complexe Sportif an’ny CNaPS ity izay efa nampiatrano ny Lalaon’ny Nosy farany teo. Tena raitra ilay toerana, na hitsangatsangana fotsiny aza. Izay rahateo no tena tanjona dia ny hamalifaliana ny tsirairay ary hamitranana fihavanana. Na izany aza dia mahazo loka ireo tafita any amin’ny famaranana isan-taranja. Ny 12 jona no hifarana ny fisoratana anarana izay ho tontosaina ao amin’ny CNaPS Ampefiloha, fa afaka aterina mialoha ao Amboasarikely Lot IBG 106 na miantso ny nomerao 0343903400 izay sady adiresy WhatsApp.
Clément RABARY

 

Dans la même rubrique

13-juin-2025

Na tamin’ny fotoana nitondràny ny ekipam-pirenena zokiny (Barea A)

Card image cap
13-juin-2025

Azo lazaina ho efa mipetraka ho reharehan’ny baolina kitra afrikanina na hoe

Card image cap
12-juin-2025

Afaka ny fitaintanana ho an’ny ekipam-pirenena Malagasy, Barea A’

Card image cap
12-juin-2025

Nahazo fankasitrahana manokana i RANDRIAMORASATA Ravaka,

Card image cap