Tsy nananany hantra fa dia novazavazainy hiala teo amin'ny toerana nasian'ny Tale Teknika Hery Rambeloson azy hanome tolo-tanana ho fikarakarana ny fifaninanana. Tonga avy anefa i Rafenomanga Johnson izay Tale Teknika II dia nanala an'i Lalao tamin'ny fomba mivatravatra tsy nijery akory hoe ity Lalao Ravaonirina ity anie ka andrarezin'ity atletisma eto Madagasikara satria efa im-betsaka no nisalotra ny anaram-boninahitra maha tompondaka azy teo amin'ny hazakazaka 100 m. Ny zava-bitany tamin'izany no nahazoany vatsim-pianarana tany Bordeaux efa taona maromaro. Efa tao anatin'ny ekipam-pirenena koa i Lalao teo amin'ny hazakazaka 100 m mifampitohy tany amin'ny lalao Olympika, 2000 tany Sydney niaraka tamin'i Rosa Rakotozafy izay lasa Tale Jeneralin'ny Fanantanjahantena efa taona maromaro izao. Tao anatin'io ekipa io ihany koa i Ony Paule Ratsimbazafy, Hanitra Rakotondrabe ary Monica Raharinirina. Fantatr'i Rajohns tsara ny tantaran'i Lalao fa mety mitambesatra angamba ilay grady vaovao. Ity federasion'ny atletisma malagasy ity irery mantsy no manana Tale Teknika Nasionaly Telo miasa manenran-tany. Ankoatra an'izy roalahy voatonona eto dia mbola Tale Teknika Nasionaly ihany koa ny namana Indépendant na Depa Sakaraha no fahafataran'ny maro ary. Ny mahatsikaiky dia ny naneken'ny minisitera mpiahy izao tarehin-javatra izao. Raha mety moa haninona.fa dia mahamenatra. Ny filoha Radom moa tsy omen-tsiny fa efa zatra misy manampy (co-pilote) eo amin'ny familiana izay tena manavanana azy saingy atletisma aloha izao ny resaka.
Clément RABARY
Iaro Razanakoto, antsoina hoe Jormmanbou, dia anisan’ny olo-malaza amin’ny hazakazaka
Mety farany vao misy ventiny ity andiany faha-28 n’ny Jeux Corporatifs
Resin’ny FDM Sofia tamin’ny isa 3 noho 1 ny FC Mananjary V7V‚ tamin’ny lalao