Nandresy 2 noho 1 ny Disciples FC nanoloana ny Fosa Juniors izay tapi-dalana kaleha aloha aminity taom-pilalaovany ity rehefa nihintsana tany amn'ny Coca Cola PFL. Na dia teo aza ireo nampalaza ny Fosa toa an'i Dax, Donga, Andry Max,. Feli sy Veve dia tsy nahasakana ny Disciples tsy handresy izany. Vao maraina be (16) mantsy dia matin'i Faniry ny baolina. Mbola sarotra ho an'ny Fosa ny tohiny raha nivoaka nahazp karatra mena i Haja mpiandry tsatokazo taorinan'ny sakoroka nisy teo aminy sy i Tinoh izay nivoaka koa. Samy nilalao folo izany ny roa tonta ary nihevitra ho afaka ny Fosa raha matin'i Arissa ny baolina (90+1) kanjo mbola matin'i Bôlô indray ny baolina faharoa ho an'ny Disciples (90+2). Hidona amin'ny CFFA amin'ny manasa-dalana ny Disciples. Fa mandra-piandry aloha dia ny Zanakala no hihaona aminlireto Disciples ireto ny alahady izap ao Ampasambazaha. Mbola tantara hafa koa satria malaza mahery an-tanana ry leka ireto. Amin'ny alahady izay mifankahita.
Clément RABARY
Sary indrana
Nahazo aina kely indray aloha ny baolina kitra Malagasy noho ny vokatra tsara azon’ny Barea A
Azo lazaina ho mafimafy ihany ireto andro 2 manaraka ho atrehintsika anio sy ny 24 martsa