airtel

Sport

24-avril-2023

Sport

Baolina Kitra- Charlot Andriamady "Tokony misy vondron'olona mitsirika ny mpilalao aty ivelany"

Sample post image

Nivoaka ny fahanginana noho ny fitiavany ny Barea indray i Salomon Charlot Andriamady, ilay mpiandry tsatokazo tao amin'ny AS St Michel sy ny ekipam-pirenena,

24-avril-2023

maneho hevitra ny tokony hitondrana ny ekipa malagasy.
Tia Tanindrazana: Lasa iny i Nicolas Dupuis, misy hevitra azonao haroso ve hamonjena izay tokony hovonjena fa tafahitsoka lalina isika.
Salomon Charlot Andriamady : " Betsaka ny azo atao fa miankina amin'ny ho entina miady io .Izaho manokana aloha dia tsy hanary ny zaza miaraka amin'ny rano nandroana fa dia mbola misaotra an'i Dupuis fa izy no nanokatra lalana ho an'ireo milalao aty ivelany. Ary rehefa hatao ihany dia tokony hifotorana tsara."
TT: Mba azonao hazavaina ve ?
S.C.A. : " Rehefa hanao ihany dia tokony nanendry olona sy vondrona olona mihitsy ny FMF mitsirika ireo mpilalao mahay aty andafy Mila jerena akaiky ireo hisafidiana manimboka any amin'ny klioba hilalaovana, ny haavo teknika ilay fifanintsanana handraisany anjara. Mila fantarina ihany koa hoe milalao foana ve sa mpidolo toerana. Ny firenena mandroso rehetra dia msmpiasa ireo mpilalao any Lafrantsa, ligue 1 sy Ligue 2, any Italie sy Alemaina ary Espagne sy Angleterre.
TT : Ka hatreto ange mbola Rayan Raveloson no mba Ligue 1 antsika sy Van Boto angamba izay milalao any Auxerre koa saingy mbola mpisolo toerana ity farany.
S.C.A. : Marina loatra fa raha ny momba ny Barea dia mitsirika ireo manana ny ho aviny I Remy Vita ange ka tao Troyes Ligue 2 no nahitan'ny Bayern azy. Anjaran'ireo viatendrin'ny federasiona hisahana ny fitiliana no mijery ireo. Izaho manokana izao amin'ny maha mpiandry tsatokazo ahy dia mihevitra fa tokony horaisana na tsy tonga dia tompo-toerana i Allan Rakotovazaha sy Enzo."
TT : Ka misy miteny hor mbola kely ireny ?
S.C.A. : " Marina fa saingy amin'izao fotoana izao anie dia hifandrombahana ireny boay kely ireny. I Senegal izao nampiasa mpilalao 13 latsaky ny 23 taona. Ary eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena dia hiara-mahita ny staon' i Vinicius (21 taona), Rogrygo (20 taona), Musiala (20 taona), Saka (21 taona), Gavi (19 taona) na koa Belligham (20 taona)."
TT: Fa raha amin'io lafiny io ve isika tsy nanan-kalahatra ?
S.C.A. : " Manana an'i Remy Vita isika ary misy koa aza ireo tokony horesena lahatra toa an'i Francis Coquelin (Villareal) sy Ludovic Ajorque ilay mpilalao taloha tao Strasbourg Fa mandra-piandry aloha dia tokony homena sehatra ny tanoro toa an'i Seyha Saha (OM) na Kalvin Paul sy Tony Robert tamin'ny U23 farany teo Betsaka ny azo hatao mba hampiakatra ny lentan'ny baolina kitra malagasy saingy tsy ho vita rahampitso izany. Ary izay no hilazako hoe aleo omena ny tanora ny toerana amin'ireo lalao roa farany hihaonana amin'ny Angola sy Ghana satria efa tsy afaka ihany. Raha izaho manokana aloha dia tsy tokony hasiana izany hoe tsy maintsy mpilalao avy any ivelany no hibahan-toerana na ny eto an-tanàna fa tokony izay mahay sy ampy fotoana hilalaovana no mijoro."
Nangonin'i Clément RABARY
 

Dans la même rubrique

18-avril-2024

Voadingan’ilay frantsay vao 21 taona, Etienne Camara,

Card image cap