airtel

Sport

08-janv-2024

Baolina kitra Grand Tournoi Analamanga

Nivadika ho fampisehoana ho an'ny Disciples

Sample post image

08-janv-2024

Tratra ny tanjona ho an'ny Disciples FC raha nataony hitarafana ireo mpilalao hanao Pro League no antony nandraisany anjara tamin'ity Grand Tournoi Analamanga ity. Raha nihevitra mantsy ny rehetra fa tena handresy ny Ajesaia izay mbola nampian'i Tsiry Fosa noho ny antony tsy mazava dia ny nifanohitra an'izay no niseho tetsy amin'ny kianja Elgeco omaly. Lasa fampisehoana no niafaran'ny lalao satria dia nandresy mazava 5 noho 2 ny Disciples. Ny Ajesaia anefa no nanokatra ny isa raha vao nanomboka 2 minitra ny lalao tamin'ny alalan'i Nasa. Tsy niandry ela anefa dia nosalain'i Tsila izany (9). Ary dia mbola nampian'i Dahery (19) izany taminlny alalan'ny tifitra nandrivorivo tary amin'ny ankasarotana.Ny baolina fahatelo matin'ny Disciples dia mbola taratry ny fahaizan'ity klioba ity mijery mpilalao vaovao satria dia i Nantenaina izay antsoin'ny mpijery any Antsirabe hoe Messi no nampitombo ny isa. I Mando kosa no nahafaty ny baolina fahaefatra tamin'ny alalan'ny penalty vokatry ny hadisoana nataon'i Sitraka tamin'i Dahery. Nitroatra ry zareo avy eny Antanikatsaka ary tamin'izany no nahafatesan'i Tsiry ny baolina faharoa (73) saingy roa minitra taorinan'io dia matin'i Dahery indray ny baolina.
HIATRIKA NY FAMARANANA
Tafakatra hiady ny famaranana izany ny Disciples ary hihaona amin'ny US Pro azo lazaina nanao fahagagana ihany raha nanilika ny Elgeco Plus tao an-tokontaniny tamin'ny isa 4 noho 3. Nandritry ny fanalavam-potoana no namonoan'i Tigana ny baolina fahaefatra (113). Ratsy ho an'ny Elgeco Plus iny faharesena iny saingy mety hanery azy hitady mpilalao tanora. Omaly mantsy dia mbola tompon-toerana ry Dino, Zola,Tsila ary Benteke hany ka voan'ireo US Pro tamin'ny vovokaina. Ho sahirana noho izany ity ekipan'ny filoha Alfred Randriamanampisoa ity raha hiatrika ny Pro League izany tena mbola maizina no misy azy. Raha tsy hoe angaha hanamboatra Vondrona atsimo maivamaivana sy tany malemy hanorenam-pangady. Asa...
Clément RABARY
 

Dans la même rubrique

13-mai-2024

Resy ny Ladies Makis omaly. Resy 17 noho 46 nanoloana ny Springbok Afrika Atsimo.

Card image cap
13-mai-2024

Nanao izay ho afany ry Clément Couturier sy ny namany ao amin’ny Swift Esperange

Card image cap
13-mai-2024

Tena mikorontana ambany ambony ny Pure Play Football League amin'izao.

Card image cap
13-mai-2024

Nitondra setriny manoloana ny fifandirany amin’ny AS Fanalamanga izay nanao valan-dresaka tamin'ny mpanao

Card image cap
13-mai-2024

Tombanana ho fara-fahatarany amin’ity herinandro ity ny fiantsoana ireo mpilalao handrafitra ny ekipam-pirenena

Card image cap