airtel

Sport

04-juil-2023

Sport

Baolina Kitra Hiaka-dapa ny Pro League

Sample post image

Ho tontosaina etsy amin'ny Kianja Barea ny alahady izao ny famaranana ny Orange Pro League izay hifandonan'ny Fosa Juniors sy ny AS Fanalamanga.

04-juil-2023

Eto izany vao tena hiseho ny fitiavan'ny Malagasy ny baolina kitra fa tsy vitan'ny hoe Alefa Barea fotsiny. Ireo lohandohan'ny mpisorona aza tokony handoa iray tapitrisa isan'olona izay tena mbola latsaka raha ampitahaina amin'ny vidim-pidirana any Eoropa. Fotoana izany io alahady io hampisehoan'ny Malagasy rehetra fa tsy eo amin'ny molotra fotsiny izany fitiavana Barea izany. Raha feno amin'io vidim-pidirana io mantsy ny Kianja Barea ka omena izay mandresy ny vola dia inoana marimarina fa misy ho entina miady any Afrika izany. Andrana izany io na tena tia an'ity kitra ity na tsia ny Malagasy Ny somary indro kely anefa dia tsy tafita ny volomboasary ka tsy fantatra hoe ho tonga ny manampahefana rehetra hanotrona Na izany na tsy izany dia hiady ny baolina. Marina fa manatombo ara-taratasy ny Fosa noho ny fananany ireo Barea marimaro toa an'i Dax, Tsiry Jean Yves, Donga ary Avizara fa tsy dia midika inona akory izany. Matoa tonga eto amin'ny famaranana toy izao ny Fanalamanga dia tsy hamaivanina indrindra fa nanilika ny tompom-baolina dia ny Elgeco Plus. Nofaizin'i Tsalo sy ny namany ary tena nandraingiraingy. Ary raha mahavita mamaly toa iny i Moramanga dia tena ho sahirana ny Fosa. Ny tsy azo lavina aloha dia tsy nanjakazaka toy ny fanaony hatramin'izay ny baolina kitra Analamanga. Efa lasa handenan'ny rehetra. Mahagaga a !
Clément RABARY
 

Dans la même rubrique

27-mai-2025

Anisan’ireo ekipam-pirenena mandray anjara amin’ilay fifaninanana

Card image cap
27-mai-2025

Tompondakan’i Belzika aho, hoy ny lohalaharana malagasy, Loïc lapoussin,

Card image cap