airtel

Sport

03-févr-2023

Sport

Baolina kitra Lasa any Libye koa i Tsiry

Sample post image

Novidian'ny Libyanina koa i Tsiry. Hilalao ao amin'ny club Al Attihad koa izy. Saingy hatreto dia try fantatra ny sandan'ny fifanarahana tsy toy ny tamin'i Rakoul.

03-févr-2023

Inoana anefa fa tsy maintsy be lavitra noho ny atsy La Réunion sy Maorisy satria tsy hanaiky lembenana ireov vazaha tompon'ny Fosa Juniors izay nandoa volabe taminy Ajesaia. Mety ny an'i Tsiry fa i Roro no voa mafy amin'ny CHAN manaraka satria tsy misy Tsiry sy Rakoul ary Tsito sy Rojo Be Izzy efa tsy lasa any amin'ny St Pauloise. Tsy maintsy mamorona indray aloha i Roro raha te handeha lavitra amin'ity CHAN atao afaka roa taona ity. Raha ireo banga ireo aloha dia mety ho sarotra hatramin'ny medaly volamena ny Lalaon'ny Nosy etsy Mahamasina. Raha tsy hoe angaha dieny izao dia omena vola i Roro Rakotondrabe mba ahafahany mijery izay rehetra any ambany ravin-kazo rehetra any .Ny tombony dia tsy maintsy hanao tsy omby aloha ireo mpanao politika hanampy noho ny fifidianana ho avy. Mba marina moa !
Clément RABARY
 

Dans la même rubrique

19-mai-2025

Iaro Razanakoto, antsoina hoe Jormmanbou, dia anisan’ny olo-malaza amin’ny hazakazaka

Card image cap
19-mai-2025

Mety farany vao misy ventiny ity andiany faha-28 n’ny Jeux Corporatifs

Card image cap
19-mai-2025

Resin’ny FDM Sofia tamin’ny isa 3 noho 1 ny FC Mananjary V7V‚ tamin’ny lalao

Card image cap