airtel

Sport

01-févr-2021

Sport

Baolina Kitra- Ligue 1 Resin’ny FC Lorient ny PSG

Sample post image

Nandresy 3-2 ny Paris Saint-Gérmain ny FC Lorient omaly teo amin’ny andro

01-févr-2021

 

 

 

 

faha-22 amin’ny fifaninanan’ny Ligue 1 any Frantsa. I Neymar (45’ sy 67’) no namono ny baolina roa ho an’ny ekipan’i Paris, raha toa Abregel (36’), Wissa (80’), ary efa tany amin’ny minitra faha 91 no namono ny baolina fahatelo nitondra azy tany amin’ny fandresena tamin’ny alalan’i Moffi ny Lorient. Tompon-toerana avy hatrany ilay mpilalaon’ny Barean’i Madagasikara tamin’io lalao omaly io, ary isan’ny niady mafy hatramin’izay, ary tsy dia naratra firy, raha toa ka maratra i Thomas Fontaine ny 16 desambra, ka tsy afaka milalao mandritra ny 8 herinandro eo, tsy ho isan’ny mpilalao handrafitra ny Barea amin’ny fifanintsanan’ny CAN hifandonana amin’i Ethiopie sy Niger ny volana martsa izao. Noho iny vokatra omaly iny, dia nivarina any amin’ny laharana faha-3 vonjimaika ny PSG izay teo amin’ny laharana voalohany, raha toa ka laharana faha-18 ny Lorient hatreto, izay manana isa 18 hatreto. Mitarika kosa ny Lille izay manana isa 48, faharoa ny Olympique  Lyonnais manana isa 46, ary fahatelo kosa ny PSG amin’ny alalan’ny isa 45.

Toky R

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Hetsika ara-panatanjahantena fanao isan-taona natao hampiray ireo mpisehatra amin’ny

Card image cap
26-avril-2024

Azo lazaina ho mametraka ny traikefany tanteraka amin’izao fotoana ilay irakiraka

Card image cap
25-avril-2024

Fanapahan-kevitra maromaro no noraisina sy nankatoavin'ny ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly ho an’ny lafiny fanatanjahantena.

Card image cap
25-avril-2024

Vahiny mangan'ny ligin'ny baolina kitra ny Diana i Arsène Malabary.

Card image cap
25-avril-2024

Banga iray indray ny lomano malagasy. Norimandry omaly ny Kolonely Jaovanona

Card image cap