airtel

Sport

06-sept-2021

Sport

Baolina kitra Malagasy Tsy misy vokatra tsara azo amin’ny fifandirana

Sample post image

Tena ahiana hanimba ny baolina kitra ity tsy fitovian-kevitra na tena ady mihitsy eo amin’ny samy tompon’andraikitra, mba tsy hilazana fa efa tena manimba sy mamotika ny kitra.

06-sept-2021

 Efa ahariharihary sy haseho vahoaka mihitsy, ary ny olona tokony ho fitaratra amin’ny fampiombonana sy fandravonana amin’ny disadisa no manao vava be ho rem-poko rem-pirenena, fa manomana valifaty. Lasa resaka sady mamoaka no mampiditra satria resahina ny hoe: “firaisam-po” tamin’ny fitokanana ny kianja, saingy firaisam-po inona no hita ao anaty fifandrarangana valifaty. Ahoana moa no hitombin-tsaina ireo mpilalao? Mety misy karazana baiko samihafa mazava ho azy tonga any amin’ny mpilalao, fa izy ireo tsy miteny fotsiny. Tsy te hiditra lalina sy hitsara ny olona hoe iza no marina na iza no diso eo amin’ny Fitondram-panjakana sy ny FMF izay tokony hifameno sy hifanampy. Mila alamina amin’ny fo sy saina tsy miangatra ny disadisa, raha tena misy ny fitiavana sy finiavana hanandratra ny baolina kitra, fa tsy ho amin’ny tombotsoa manokan-dRakoto na Rabe. Mety samy milaza ho tia ny baolina kitra, mety samy te halaza hoe: izahay no tena miasa, saingy samy manana ny andraikiny izay mifameno, ary tokony ho ao anatin’ny fifanajana fa tsy fifanasoketana sy fanangana-tsandry lava. Ny hambo-po diso toerana no mitady hamotika ny kitra Malagasy, ary mety azo raisina ho samy tia tena na Atoa Andry Rajoelina na ny Filohan’ny FMF Atoa Arizaka Rabekoto Raoul FMF, dia lasa ilay ekipam-pirenena no simba. Aty amintsika irery no misy hoe tokanana ny Kianja Barea, dia tsy eo ny Filohan’ny FMF, fa ny Filoham-pirenena no te haneho fa tompon’ny baolina kitra sy ny ekipam-pirenena. Voafetra ihany anefa ny fahefany eo amin’ny rafitra mifehy ny kitra, ary mba mety manana ny heviny sy ny zavatra tiany hoentina amin’ny kitra ihany koa ny Filohan’ny FMF, saingy voafetra noho ny disadisa politika eo amin’ny roa tonta. Ny mpanazatra Eric Rabesandratana moa mety tsy manan-tsafidy fa manara-drenirano fotsiny ary mety boda ihany ny lohany manoloana ny zava-misy. Tokony samy mandinika, miresaka dia ampadeferina ny hambom-po, raha tena te hampandroso tokoa ny kitra. Mila hampanalavirina ny tontolon’ny kitra ny kajikajy politika.

Toky R
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Hetsika ara-panatanjahantena fanao isan-taona natao hampiray ireo mpisehatra amin’ny

Card image cap
26-avril-2024

Azo lazaina ho mametraka ny traikefany tanteraka amin’izao fotoana ilay irakiraka

Card image cap
25-avril-2024

Fanapahan-kevitra maromaro no noraisina sy nankatoavin'ny ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly ho an’ny lafiny fanatanjahantena.

Card image cap
25-avril-2024

Vahiny mangan'ny ligin'ny baolina kitra ny Diana i Arsène Malabary.

Card image cap
25-avril-2024

Banga iray indray ny lomano malagasy. Norimandry omaly ny Kolonely Jaovanona

Card image cap