airtel

Sport

19-févr-2024

Baolina kitra PFL

Voan'ny donaka ny CFFA

Sample post image

Izany tokoa ny hoe rehefa ho tonga ny loza dia latsaka hatramin'ny varatra.

19-févr-2024

Izay voan'ny donaka no tsy fantatra fa dia nahamay an'ny CFFA iny sabotsy teny amin'ny kianja Elgeco Plus. Tonga maro toy ny isan'andro anefa ny mponina Andoharanofotsy saingy endrika maloka no nentina nody fa voa ny tsy nampoizina. Izy tokoa moa no hanampo fa ho resin'ny 3FB Toliara ny CFFA. Nefa dia izay no nitranga io andro io raha namono ny baolina tokana i Jack (62). Hafaliana ny an'ny mpomba ny 3FB satria na izy ireo tsy nanampo hoe handresy ny CFFA ao antokontaniny ary mety ny mpitsarany koa aza. Nanamarika iny andro faharoa iny koa ny fandresena fanindroany an'ny Fosa Juniors izay nampiondrika ny USCAFOOT tetsy Alarobia tamin'ny isa 2 noho 1. I Donga no nitondra ny fandresena ho an'ireo Fosa Juniors. Fa fandresena faharoa koa no azon'ny Elgeco Plus raha nampiondrika 1 noho 0 ny Zanakala tao Ampasambazaha. Felaka tehamaina ho an'ny Zanakala iny satria nihevitra izy ireo fa tsy matahotra an'iza iza taorian'ny nandreseny ny 3FB tao amin'ny Kianja Maître Kira. Manakara ihany koa ny Dato nanoloana ny Disciples FC. 3 noho 1 ny baolina ka penalty matin'i Mostafa ny an'ny Dato. Tsila ( , Tendry (46) ary Joma Kely (64) no namono ny baolina ho an'ny Disciples. Toy izao ireo vokatra hafa nandritra ity andro faharoan'ny Pureplay Football League ity. - AS Fanalamanga sy ASA Nosy Be...1 noho 1 - COSFA nandresy Ajesaia...3 noho 2 - Inate FC Rouge resin'ny MAMA...0 noho 1 - Tsaramandroso nandresy ny KFCA...4 noho 2.
Clément RABARY
 

Dans la même rubrique

13-mai-2024

Resy ny Ladies Makis omaly. Resy 17 noho 46 nanoloana ny Springbok Afrika Atsimo.

Card image cap
13-mai-2024

Nanao izay ho afany ry Clément Couturier sy ny namany ao amin’ny Swift Esperange

Card image cap
13-mai-2024

Tena mikorontana ambany ambony ny Pure Play Football League amin'izao.

Card image cap
13-mai-2024

Nitondra setriny manoloana ny fifandirany amin’ny AS Fanalamanga izay nanao valan-dresaka tamin'ny mpanao

Card image cap
13-mai-2024

Tombanana ho fara-fahatarany amin’ity herinandro ity ny fiantsoana ireo mpilalao handrafitra ny ekipam-pirenena

Card image cap