airtel

Sport

23-févr-2023

Sport

Barea CHAN Diso kajy ve i Berajo sa… ?

Sample post image

Asa aloha na ho raikitra na ho tsia fa dia misedra fitsapana ao amin'ny klioba Swift Hesperange any Luxembourg i Razafindrabe Rajo na Berajo.

23-févr-2023

Safidy izay mandiso fanantenana ihany satria ambany ny lentan'ny baolina kitra any amin'ity firenena ity satria voakilasy faha 42 izy amin'ireo fifaninanana fiadiana ny tompondaka miisa 55 any Eoropa. Ekipan'i Hakim Abdallah (Barea) taloha izay tsy zoviana amin'ny mpitia baolina kitra ary tsy naharesy lahatra ny maro afatsy Nicolas Dupuis angamba izay mbola mety ao ambadika izao fifindrana Izao. Tena naman'i Plâtre ilay mpilalao tao amin'ny St Michel koa ny mpitantana ity Swift Hesperange ity ka mety misy hidirany koa izao fifanarahana izao. Na izany na tsy izany aza, na ho raikitra na tsia satria mandritry ny herinandro ny fitsapana, dia heverina fa tokony ahita ekipa tsaratsara kokoa i Berajo noho ny fahafehezany ny toerany izay vodilaharana afovoany. Ny tsy azo lavina satria toerany voalohany ao amin'ny fiadiana ny tompondakan'i Luxembourg, dia tsara lavitra noho ny azony ao amin'ny JET Kintana ny vola ho azony. Ao indray izy manao izay mety mba ahitan'ireo klioba vaventy hafa any Eoropa.
Clément RABARY
 

Dans la même rubrique

19-mai-2025

Iaro Razanakoto, antsoina hoe Jormmanbou, dia anisan’ny olo-malaza amin’ny hazakazaka

Card image cap
19-mai-2025

Mety farany vao misy ventiny ity andiany faha-28 n’ny Jeux Corporatifs

Card image cap
19-mai-2025

Resin’ny FDM Sofia tamin’ny isa 3 noho 1 ny FC Mananjary V7V‚ tamin’ny lalao

Card image cap