izay ofisialy ny fividianan’ny Klioba divizionina voalohany Alzerianina Mouloudia Club d’Alger azy, ary efa vita ny soniam-pifanarahana. Hilalao ao amin’ny Mouloudia mandrindra ny 3 taona izy, izany hoe: amin’ny taona 2026 vao tapitra ny fifanarahana. Maro ny klioba nitsitsiritra azy, toy ny Al Alhy atsy Egypte. Ity mpilalao Malagasy vao 23 taona ity no mpilalao mendrika sy misongadina indrindra tamin’ny lalaom-bondrona tamin’ity fifaninanana kaontinantaly ity, ary ny tenany rahateo hatreto no mpampidi-baolina be indrindra satria efa namono baolina telo. Efa mpilalaon’ny Five FC Analamanga I Rakool ary ny CFFA Andoharanofotsy no nilalaovany faranyy teto an-tanindrazana, ka izy ireo tompondakan’I Madagasikara farany teo. Momba ny Mouloudia izay kliobany vaovao kosa, dia laharana fahatelo vonjimaika ao amin’ny fifaninanam-pirenena izy ireo amin’izao. Tsy vao sambany moa no nisy teratany Malagasy nilalao tao amin’ny Moloudia Club d’Alger satria efa nandalova tao i Carolus sy Ibrahim Amada, izay samy mpilalaon’ny Barea Madagasikara. Ankoatra an’I Rakool, hilalao ao amin’ny Saint-Pauloise FC atsy La Reunion ihany koa I Rojolalaina Andrianjatovo na Rojo Be, ilay laharana faha-6 an’ny Barea CHAN, raha ny fampahafantarana efa mandeha, ary voalaza fa efa nitsodrano azy ny AJESAIA. Hiara-hilalao amin’I Voavy Paulin izany ny tenany. Mody ventiny ny rano nohatsakaina, ary inoana fa tsy hijanona amin’izy mirahalahy ireo ny mpilalaon’ny Barea CHAN handeha hifindra lasy any ivelany.
Toky R
Voaporofo ny faran'ny herinandro teo fa tena manana mpilalao kanetibe tena mahay ny ao Betafo.
Farany vao tena nisy ventiny ny zava-bitan'ny Ankoay izay nandresy ny Frantsay tamin'ny isa 21 noho 20 omaly nandritra ny fiadiana tompondaka erantany amin'ny Basketball lalaovin'olona 3 any Vienne Autriche.
Nivoaka ny fahanginany i Roro Rakotondrabe taorian'ny nanendrena azy ho mpanazatran'ny Barea A. Voninahitra an-tsobika izany ka tsy azo atao am-patambary raha ny nambarany.
Miditra amin'ny andro faharoa ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany eo amin'ny basket 3x3 tontosaina any Vienne Autriche. Hihaona amin'ny Brezila indray ry Elly sy ny namany anio amin'ny 7 ora sy 40 mn.