airtel

Sport

21-juil-2022

Sport

Barea CHAN Matihanina ireo voafantina

Sample post image

Azo lazaina ho matihanina ireo mpilalao voafantina hiatrika ny fifanintsanana ahazoana ny tapakila hihatrehana ny CHAN 2023,

21-juil-2022

raha ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra na Barea CHAN tamin’ity no asiana resaka. Ireo mpilalao amina klioba mandray anjara ao anatin’ny OPL na Orange Pro League avokoa no nofantenan’ny mpanazatra Félix Romuald Rakotondrabe na Rôrô. Eo amin’ny mpiandry tsatoby no ahitana an’I Rakotohasimbola Zakanirina, mpilalaon’ny Elgeco Plus, Andriamalala Andoniaina, Disciples FC. Eo amin’ny vodilaharana; Safidinomenjanahary Naurah E., CFFA. Razafindraibe Rajo, Jet Kintana. Naina Theo Urbain, COSFA. Rafanomezantsoa Dieudonné, CFFA. Randrianiaina Tantely Antoine, Disciples FC. Randrianiaina Tantely Antoine, Disciples FC. Rakotonirina Jean Martin, Elgeco plus. Eo afovoanin’ny kianja kosa no ahitana an-dry Rakotondrazaka Ando, Disciples FC. Rabarijaona Tantely Avotriniaina, CFFA. Ramahandrison Niaina Tsilavina, Elgeco Plus. Rafanomezantsoa Lalaina, CFFA. Andriamanjato Rojolalaina, Ajesaia. Rakotoarisoa S. Jean Aimé, Elgeco Plus. Randriatsiferana Toky Olivier, Fosa Juniors. Andrianarimanana A. Aro Hasina, Fosa Juniors. Hasinirina Onjaniaina Patrick, Elgeco Plus. Eo amin’ny lohalaharana no ahitana an-dry Ravelomanantsoa Mario Carlos, CFFA. Razafindrakoto Jean Yvon, Fosa Juniors. Fanomezantsoa Tsilavina, Fosa Juniors. Razafindranaivo S. Koloina, CFFA. Randrianarijaona T. M. Mataniah, Disciples FC. Razafimaro Fenohasina Gilles, Ajesaia. Tsiahivina fa ny CHAN na « Championnat d’Afrique des nations » moa amin’ny maha fiadiana ny tompondakan’i Afrika azy dia natokana indrindra ho an’ireo mpilalao anatiny na « local », hoy isika, mba ho fampivoarana ihany koa ny fifaninanam-pirenena ao amin’ilay firenena. Ny CAN kosa amin’ny maha fiadiana ny amboaran’i Afrika azy dia azo hifantenana ireo mpilalao heverina fa mendrika indrindra hiaro ny voninahi-pirenena na mpilalao anatiny io na avy any ivelany na ilay antsointsika hoe “expatriés”.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Fanapahan-kevitra maromaro no noraisina sy nankatoavin'ny ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly ho an’ny lafiny fanatanjahantena.

Card image cap
25-avril-2024

Vahiny mangan'ny ligin'ny baolina kitra ny Diana i Arsène Malabary.

Card image cap
25-avril-2024

Banga iray indray ny lomano malagasy. Norimandry omaly ny Kolonely Jaovanona

Card image cap