airtel

Sport

27-janv-2023

Sport

Barea CHAN Miverina mijoro i Datsiry

Sample post image

Vaovao mahafaly no voaray avy any Constantine - Alzeria satria dia efa mandray anjara amin'ny fanazaran-tena i Datsiry izay voadona teo amin'ny kitro keliny nandritry ny lalao nifanaovana tamin'i Soudan.

27-janv-2023

Tena azo lazaina fa sitrana tanteraka ity gonan'Amparafaravola ity, ampy sokay tsara satria nobeazina tamin'ny besisika. Izany eo ihany fa ny tena mahafaly dia ny mahita ireo sokajiana ho mpisolo toerana tena tongatonga. Nety tamin'i Roro ilay mitarika 3 noho 0 satria nahafahany nitsapa ireo mpilalao fiandry. Ary matoa tsy nidiram-baolina nandritry ny fizaram-potoana faharoa iny dia nahavita ny andraikitra nankinina aminy i Ando Rakapy izay nasolo an'i Datsiry ary tsy latsa-danja koa ny nasehon'i Donga. Ity faran'ny izay heverin'i Faneva Ima fa irakiraka tsara indrindra eto Madagasikara dia tena mahafehy tokoa ny asany saingy eo amin'ny vatana no nahatonga an'i Roro handahatra an'i Rojo Be avy ao amin'ny Ajesaia izay tena mandravarava tokoa ka voanjo latsaka sida no tonga any amin-dry Berajo sy Datsiry. Tany aloha Indray dia tena nanao tokoa i Dôdy JET Mada na dia tsy ampy metatra aza. Kely fa dada no azo hiantsoana an'ity zandry kely ity izay lasa CFFA koa fa nihemotra tamin'ny ora farany. I Carlos dia tsy nisy handrefesana loatra ny zava-bitany ny ,folo minitra faran'ny nidirany. Na izany aza dia heverina fa hahavita zavatra tsara ihany izy toy ny efa namonoany baolina tany amin'ny fifanitsanana. Na izany aza araky ny fiteny mahazatra hoe tsy soloina ny ekipa mandresy dia azo antoka fa ireo nandresy Ghana sy Soudan niditra voalohany ireo ihany no ho hita ny sabotsy izao amin'ny valo ora alina. Ho fampatsiahivana fotsiny dia ho, toy izao ny firafitry ny Barea manao 4-3-3. Nina- Tantely, Datsiry Berajo, Dadafara- Lalaina, Dax, Rojo- Rakoul, Jean Yves, Tsiry .
Clément RABARY
 

Dans la même rubrique

19-mai-2025

Iaro Razanakoto, antsoina hoe Jormmanbou, dia anisan’ny olo-malaza amin’ny hazakazaka

Card image cap
19-mai-2025

Mety farany vao misy ventiny ity andiany faha-28 n’ny Jeux Corporatifs

Card image cap
19-mai-2025

Resin’ny FDM Sofia tamin’ny isa 3 noho 1 ny FC Mananjary V7V‚ tamin’ny lalao

Card image cap