airtel

Sport

07-juin-2023

Sport

Barea Fady ny mampiasa ireo latsaky ny 19 taona ?

Sample post image

Efa fanandramana ny hanamboarana ny ho avy ve dia tsy mbola miantso ireo taninketsa tena mamiratra ?

07-juin-2023

Izay no fanontanian'ny maro satria ny any an-kafa dia tena mihazakazaka amin'ireny toy ilay Anglisy Judd Bellingham na ireo Brezilianina Rodrygo sy Vinicius Jr Ary dia tonga amin'i Safidy Fortin ilay kapitenin'ny FC Nantes izay nandrombaka ny tompondakan'i France U19 farany teo Efa tao amin'ny Barea U23 ity zandry kely niaraka tamin'i Allan Rakotovazaha mpiandry tsatokazo. Izany hoe efa tena manana traikefa ary manginy fotsiny ilay fahabangana amin'ny vodilaharana havia toy ny tranga tamin'ny CHAN ireny fony naratra i Dadafara nefa i Avizara tena mbola lavitra. Mbola tara ve raha miantso azy sa dia avela ho be tsy handraofana toa io ka lasan'ny daika sy tsy manana klioba ny toerana . Ny fiandohan’ity herinandro ity moa no efa nanomboka ny fanazaran-tenany etsy amin’ny kianja ivelany amin’ny kianja Barea ny ekipam-pirenena eo ambany fitarihan’ny Coach Rôrô.
Clément RABARY
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Rahampitso no hanao ny lalao fanokafana ny Lalao Olaimpika 2024 any Paris.

Card image cap
25-juil-2024

Raha rahampitso ny lanonana ofisialy hanokafana ny lalao olaimpika na JO 2024 tanterahana any Paris,

Card image cap
24-juil-2024

Vaovao mahafaly ny fiverenan'i Kendji Van Boto milalao indray taorian'ny ratra nahazo azy.

Card image cap
24-juil-2024

Vaovao tsara ho an'ny basketball malagasy ny fifindran'i Mathias M'Madi

Card image cap