airtel

Sport

25-mars-2024

BAREA

Mbola tena mila ezaka

Sample post image

Lasa vazaha misolo vazaha raha izao ataon'ny staff Barea izao. Isan'ny nanenjehana an'i Nicolas Dupuis

25-mars-2024

tokoa mantsy ny mampijoro mpilalao tsy nanana klioba na tsy nilalao mihintsy kanefa iny no nataon'i Roro.Tsy mbola nanitsaka kianja tany Saint Denis i Berajo ary toy izany koa i Tsiry tany Saint Paul fa dia ireny izy ireo fa najoro ny zoma teo.Tena tsy maintsy ho izay nefa izany matihanina izany vao mijanona kely dia tsy ao anaty lisitra. Jereo izao Griezmann sy Mike Maignan fa voa voadona kely dia tsy nalahatr'i Didier Deschamps. Ny antsika anefa tokony efa hita fa tsy tafaverina amin'ny heriny dia mbola Berajo ihany no Berajo ka aiza moa ity gônan'Amparafa ity no tsy hanaonao foana indrindra nandritry ny fizarana faharoa. Raha tsorina aloha foa mety efa nisy maty ny baolina raha tsy nisy an'i Demoleon sy Sonny Laiton ary Kendji Van Boto sy Rado. Mbola miampy an'i Rayan ireo dia izay ihany aloha no azo antenaina ny volana jona. Ny sisa mbola tena mila ezaka fa na tsara aza El Hadary dia kely vovokaina sady tsy misy mahay miaraka aminy no mbola tsy tao koa i Rojo Be ka mampanontany tena hoe inona marina moa no hiantsoana ireo mpilalao atsy La Réunion ireto. Raha hanao fampitahana ihany mantsy dia tena mahavita lavitra noho i Rojo Be i Dax nefa tsy voantso intsony.Mety nofanolana kely noho ny resa-bola mantsy ka rehefa izao ny an'i Roro dia veloma mampamangy. Mbola teo koa mantsy no nahavoa an'i Tsilavina Drogba nefa raha izao aloha dia mbola tena ilaina ity be loha kely ity.Fa ianao ve mihevitra fa mora entina izany Mbappe izany ary na tamin'ny andron'ny Club M aza dia tena sahirana i Peter Schnittger nanoloana an'i Frédéric sy ry Baovola. Tokony mitady hevitra izany hamenoana io afovoan'ny kianja io raha hihaona amin'ny Mali sy Comores. Raha miverina i Marco Ilaimaritra dia tsara raha tonga koa i Francis Coquelin. Izany no sary tsara indrindra satria raha tsy mandainga ny Federasiona dia mety hapetraka eo amin'ny vodilaharana havanana koa i Kenny Lala izay herin'ny Stade Brestois.Ny tena marina aloha dia mety ho fiandry i Domeleon sy Berajo raha ho avy ihany i Thomas Fontaine sy Fabien Boyer. Mbola tsy afaka koa anefa i Arnaud raha atao lohany izay tsy fantatra mazava ny antony satria anie izy mandeha sisiny any amin'ny El Gouna.Ary raha ireny naseho ireny dia joker no mety amin'ny El Hadari ary haverina i Njiva na hilalao 45 minitra aza ary toy izany koa i Carolus. Ny ilany havia moa izany dia tsy misy afatsy Loïc Lapoussin ihany sady efa mahay miaraka izy sy Kendji Van Boto Raha lany Rakotovazaha dia azo eritreretina tsara ny mametraka an'i Dax eo ampovoany hizara ny baolina.Jereo tsara ny vitan'ny Fosa tamin'ity taom-pilalaovana ity fa nataony afa-baraka ireo ekipa noheverina fa lehibe avy eto Antananarivo. Na ny Uscafoot, na ny COSFA ary indrindra moa ny Ajesaia dia nataon'ny Fosa fandehanana fotsiny ary ela ny ela lasa hiady gisitra amin'izay. Légende: Sonny Laiton, Domeleon ary Kendjy Van Boto no tena nanavotra ny Barea nanoloana an'i Burundi.
Clément RABARY
 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Very aho 77 tapitrisa Dolara, hoy ireo mpitia baolina kitra malagasy manoloana ity

Card image cap