airtel

Sport

24-mars-2022

Sport

Barea U23 Nanao ady sahala 2-2 tamin´i Cap Vert

Sample post image

Ady sahala 2 noho 2 no nisarahan´ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra latsaky ny 23 taona na Barea U23 sy ny ekipam-pirenen’I Cap Vert nandritry ny lalao fitsapana

24-mars-2022

manaraka natrehin’izy ireo ho fanomanana ny lalao olympika 2024. Fontaine sy Matis no nampiditra ny baolina ho an´ny Barea. Ry zareo Kapverdiana no nitarika tamin´ny isa 1 noho 0 teo am-pialan-tsasatra. Nanova tetikady kosa ny Barea nandritry ny fizaram-potoana faharoa ka nahitam-bokany izany. Nitarika teny amin´ny solaitra be ny katitakely Malagasy nanomboka teo amin´ny 70 minitra saingy nitaky ny havizanana ka nohararaotin’ny mpifanandrina izany. Amin´ny ankapobeny dia mahafapo ny endri-dalao .Tsapa ny maha mpilalao avy amin´ny sekolin´ny baolina kitra ireo zandry kely na ara teknika io na taktika. Mbola i Cap Vert ihany no hifampitsapa amintsika aorian’izao ka inoana fa ho hitan’ny mpanazatra ny hanarina ny lesoka hita rehetra tamin’iny omaly iny.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Hetsika ara-panatanjahantena fanao isan-taona natao hampiray ireo mpisehatra amin’ny

Card image cap
26-avril-2024

Azo lazaina ho mametraka ny traikefany tanteraka amin’izao fotoana ilay irakiraka

Card image cap
25-avril-2024

Fanapahan-kevitra maromaro no noraisina sy nankatoavin'ny ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly ho an’ny lafiny fanatanjahantena.

Card image cap
25-avril-2024

Vahiny mangan'ny ligin'ny baolina kitra ny Diana i Arsène Malabary.

Card image cap
25-avril-2024

Banga iray indray ny lomano malagasy. Norimandry omaly ny Kolonely Jaovanona

Card image cap