airtel

Sport

13-oct-2025

Barean'i Madagasikara

Manameloka ny herisetra eto amin'ny firenena

Sample post image

Niray feo, nialohan'ny niatrehan'izy

13-oct-2025

ireo ny andro farany teo amin'ny fifanintsanana ho an'ny amboara erantany eo amin'ny taranja baolina kitra, izay nihaonany tamin'i Mali ny sabotsy teo ny ekipam-pirenena malagasin'ny baolina kitra na Barean'i Madagasikara manoloana ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny. Miantso fifanatonana sy fifampidinihana eo amin'ireo herivelona rehetra eto amin'ny firenena izy ireo. Manameloka ny herisetra izay hita nitranga hatramin'ny 25 septambra 2025 no ho nankaty ihany koa. Aoka, hoy hatrany ny antson'ireto mahery fon'ny firenena ireto mba hatsahatra ny fampisaraham-bazana ny samy malagasy, indrindra, ny herisetra. Resy tamin’ny isa mavesatra 4-1 moa ny Barea alina, ka miankina amin’ireo lalao hafa no mety hahafahantsika manao lalao sakana noho ny fanovana nataon’ny CAF.
Nangonin'i J. Mirija
 

Dans la même rubrique

28-avril-2026

Mangataka ny hanoloana an'i Iran hampidirana an'i Italie

Card image cap
28-avril-2026

Nahavita ny azy ny tao Mandritsara

Card image cap