airtel

Sport

23-févr-2024

Barean’i Madagasikara

Andrasana fatratra i Francis Coquelin…

Sample post image

Miroso hatrany ny fandresen-dahatra ilay irakiraka afovoanin’ny kianja milalao

23-févr-2024

ao amin’ny klioba divizionina voalohany espaniolina, Villareal, Francis Coquelin, mba handrafitra ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra na Barean’i Madagasikara amin’izao fotoana izao. Heverina fa tena aina goavana na amin’ilay antsoina hoe «renfort de taille» ity mpilalao mandia ny faha 32 taona ity amin’ny fanetsehana ny ao afovoanin’ny kianja ao. Andrasana fatratra, araka izany, ny mety ho fanapahan-keviny na hanaiky hisalotra ny maitso, fotsy, mena na tsia. Raha tsy misy ny fiovana moa dia amin’ny fiandohan’io volana martsa io no tokony handeha izay fampivondronana indray ny ekipam-pirenena izay, raha toa ka efa manatontosa izany kosa ireo ekipam-pirenena afrikanina hafa toa an-dry zareo atsy amin’ny nosy rahavavy kaomorianina.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Very aho 77 tapitrisa Dolara, hoy ireo mpitia baolina kitra malagasy manoloana ity

Card image cap