airtel

Sport

05-mars-2025

Barean’i Madagasikara

Andrasana fatratra indray ny lisitra

Sample post image

Lalao heverina fa tsy azo atao tsinontsinona ny fihaonan’ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina

05-mars-2025

kitra na Barean’i Madagasikara sy ny ekipam-pirenen’i Centrafrique ny 19 martsa 2025 izao atsy Maraoka. Tafiditra anatin’ny fifanintsanana hahazoana ny tapakila handraisana anjara amin’ny dingana famaranan’ny amboara eran-tany hatrany moa ity lalao ity ary isika izany eto no mampiantrano ny lalao na dia any an-kianjan’olona aza satria tsy nankatoavin’ny CAF na kaonfederasionina afrikanin’ny baolina kitra ny Kianja Barea Mahamasina. Toy ny mahazatra dia andrasana fatratra indray ny lisitr’ireo mpilalao nofantenan’ny mpanazatra vaovao Corentin Martins. Sanatrian’izany, ho herinandro mialohan’ny lalao indray ve izany vao ho fantatra ofisialy? Mazava fa hiova koa, araka izany, ny stratejian’ny lalao entin’ireto afrikanina afovoany ireto satria dia efa fantatry ny mpankafy kitra rehetra fa ilay kintan’ny kitra kameroney teo aloha, Rigobert Song, izao no lasa mpanazatra azy ireo. Midika izany fa tsy mivonona ny hanome isa maimaim-poana ho an’ireo iray vondrona aminy izy ireo fa tena mbola hiady mafy ihany koa.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

27-mai-2025

Anisan’ireo ekipam-pirenena mandray anjara amin’ilay fifaninanana

Card image cap
27-mai-2025

Tompondakan’i Belzika aho, hoy ny lohalaharana malagasy, Loïc lapoussin,

Card image cap