airtel

Sport

08-janv-2021

Sport

Barean’i Madagasikara Hitombo indray ny mpilalao tsy manana klioba

Sample post image

Efa hatramin’ny janoary 2020 no tsy nanana klioba ny irakiraka afovoany, Dimitry Caloin,

08-janv-2021

 

 

 rehefa avy nilalao tao amin’ny FC Villefranche, Frantsa. Tsy raikitra ihany koa ny fifanarahany tao Sina vokatry ny Cornavirus. Afaka 5 volana sisa dia ho tapitra koa ny fifanarahan’Ibrahim Amada amin’ny Al Khor sport, divizionina voalohany ao Qatar, raha nanomboka ny jolay 2019 teo. Efa tsy mahazo lalao firy ao amin’ity klioban’ny baolina kitra Qatari ity intsony aza ity tompon’ny daka mandrivorivo ao amin’ny ekipam-pirenena Malagasy ity hatramin’ny septambra 2020 teo. Fantatra omaly koa fa efa miheritreritra ny hisaotra an’i Hery Bastien koa ankehitriny ny FC Linfield izay divizionina voalohany ao Irlande avaratra raha efa nilalao tao nandritry ny 2 taona. Efa eo am-pamarotana azy mialohan’ny fiafaran’ity volana janoary ity moa ankehitriny ity klioba ity na dia mbola afaka 6 volana aza no tena fiafaran’ny fifanarahana. Hitombo indray araka izany ny mpilalao tsy manana klioba mandrafitra ny Barean’I Madagasikara raha toa ka mbola tsy ahita klioba vaovao mialohan’ny volana martsa izay hihaonantsika amin’ny Ethiopie sy Niger ireto irakiraka afovoany 3 lahy ireto.

Nangonin’i

J. Mirija

 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Hetsika ara-panatanjahantena fanao isan-taona natao hampiray ireo mpisehatra amin’ny

Card image cap
26-avril-2024

Azo lazaina ho mametraka ny traikefany tanteraka amin’izao fotoana ilay irakiraka

Card image cap
25-avril-2024

Fanapahan-kevitra maromaro no noraisina sy nankatoavin'ny ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly ho an’ny lafiny fanatanjahantena.

Card image cap
25-avril-2024

Vahiny mangan'ny ligin'ny baolina kitra ny Diana i Arsène Malabary.

Card image cap
25-avril-2024

Banga iray indray ny lomano malagasy. Norimandry omaly ny Kolonely Jaovanona

Card image cap