airtel

Sport

01-févr-2023

Sport

Barean’i Madagasikara Niady hatramin’ny farany, amin’ny zoma mifankahita

Sample post image

Baolina matin’ny Sénégalais teo amin’ny minitra faha-5 tamin’ny alalan’ny daka nalatsak’I Mamadou Sané avy any

01-févr-2023

an-kavia ary notsenain’i Papa Diallo tamin’ny lohany no nandavo ny Barean’I Madagasikara teo amin’ny dingana manasa-dàlan’ny CHAN omaly. Lalao nampitaintaina, ary sambany isika no nidiram-baolina voalohany teto. Tsara tazona ry Rakool, ka tany amin’ny minitra faha-10 vao tena tazana. Niezaka nanao baolina dakana hilatsaka ao anatin’ny faritra tsy azo ivalozana ny Sénégalais noho ny tombony tamin’ny halavana, ary matetika tena natahorana, toy ny daka be avy lavitra saika maty mihitsy teo amin’ny 10 minitra saingy avotr’I Nina. Niezaka nanao valim-panafihana isika, saingy somary nanary baolina matetika. Nanao fahadisoana I Datsiry teo amin’ny minitra faha-18 namerina tany amin’I Nina saingy voatsaingoka fa tsy hain’ny Sénégalais ny nanararaotra azy. ataon’ny Sénégalais tsara tazona ireo mpanafika telolahintsika, ka tsy dia nahita vahaolana firy. Tany amin’ny minitra faha-34 vao nahita andrana daka lavitra Rakool saingy ambony loatra. Nahita fanafihana tsara indray ny Sénégalais, rehefa votsotra tao amin’I Avizara avy taty ankavian’ny kianja ny baolina teo amin’ny faha-35 minitra fa voahilik’I Nina ny daka faran’I P.Diallo. Somary nifehy ny lalao isika tao anatin’ny 40 minitra farany, niezaka nitondra baolina tany amin’ny faritra tsy azo ivalozana I Tsiry, saingy hain’ny Sénégalais ny niaro azy. Nanatombo tamin’ny fitazonam-baolina tamin’ny ankampobeny isika teo amin’ny fizaram-potoana voalohany satria 54,6% noho 46,4% izany, saingy nanatombo teo amin’ny tifitra izy satria nahita 3 raha toa ka tsy nahavita izany mihitsy isika. Nahavita daka na “tirs” miisa 3 ny Sénégalais, raha ka tsy nahita na iray aza isika. Niezaka nanova paikady tany amin’ny fizaram-potoana faharoa, ka nanala an’i Jean Yves isika ary nampiditra an’i Carlos. Nifamaliana ny fanafihana, teo amin’ny minitra faha-49, saika maty tany anaty haratontsika ny baolina rehefa namerim-baolina tsy nahy I Berajo fa navotan’ny tsivalam-by. Niezaka nampiditra aim-bao nanala an-dRakool teo amin’ny minitra faha-63, ary nampiditra an’I Tendry. Nahita fanafihana tsara isika tany amin’ny minitra faha-69 saingy olana ny tany amin’ny famaranana, ary avotry ny mpifanandrina. Nahavita valim-panafihana nanary tanteraka ny vodilaharana sy Nina ny Sénégalais teo amin’ny minitra faha-70, saingy tsy tafiditra ny baolina. Nampiditra aim-bao indray tany amin’ny minitra faha-73, ka nosoloina an’I Doddy I Tsiry. Totoafo ny fanafihantsika teo amin’ny folo minitra farany , saingy olana ny tany amin’ny famaranana. Nisy aza baolina nampiady hevitra heverina fa tokony ho penalty ho antsika tao anatin’ny 5 minitra farany, saingy tsy notsofin’ny mpitsara, izay voasiotsiokan’ny mpijeryy. Niady hatramin’ny farany saingy efa nihidy tanteraka ny rindrina Sénégalais. Mpilalao Malagasy nisongadina indrindra I Nina teto noho ny fahaizany niaro ny baolina maro saika matin’ny mpifanandrina.
HIADY NY LAHARANA FAHATELO
Hiady ny famaranana izay hatao amin’ny sabotsy 4 febroary izany I Sénégal sy Algérie. Tsy nitsanga-menatra isika, ary tena niady ny mpilalao. Tsy tapitra hatreo ny làlana ho antsika, fa mbola hiady ny laharana faha-3 amin’I Niger izay montsan’I Algerie 5-0. Amin’ny zoma izao indray ny fotoanan’ny Barea sy ny mpanohana, ary inoana fa hanao izay ho afany hatrany ny mpilalaontsika hibatana fandresena. Naneho ny mpanazatra Romuald Rakotondrabe na Rôro, fa mirehareha amin’ny mpilalaony, ary hiezaka hibata ny laharana fahatelo. Hiezaka hanohy sy hanarina hatrany ny lesoka mba hanandratana ny kitra Malagasy.
Toky R
 

Dans la même rubrique

22-avril-2024

Eo amin'ny kihon-dalana ny tantaranny Ladies Makis. Ho fantratra ny 4 ka hatramin'ny 12 may

Card image cap
22-avril-2024

Nanaitra ny maro ny fanambaran'ny Filohan'ny federasiona, Alfred Randriamanampisoa,

Card image cap
22-avril-2024

Ratsy ny vokatra tato ho ato ho an’ny AJ Auxerre misy an’ilay mpilalao Malagasy Rayan Raveloson,

Card image cap
19-avril-2024

Inona no mahazo ny tsipy kanetibe no toa tsy mbola isan'ireo taranja hifaninana amin'ny Lalao Olaimpika

Card image cap
19-avril-2024

Lesona be nomen'ny FIFA ny nanomezany sazy henjana ny mpitsaran'ny lalao nihaonan'ny Barça sy PSG nandritra ny Ligue des Champions.

Card image cap