airtel

Sport

21-nov-2023

Basket 3x3 -Amboaran'i Afrika

Handray anjara ny Malagasy

Sample post image

Taorian'ny lalao nataony tamin'ny fiadiana ny Amboara eran-tany farany sy ireo lalao iraisam-pirenena teo aminlny

21-nov-2023

basket 3x3 dia tafiditra ho isan'ireo ekipa tena atahoran'ny maro ny Ankoay lehilahy. Hihaona any Egypta ny 1 ka hatramin'ny 3 desambra izao mantsy ireo sangany aty Afrika lahy sy vavy. Raha mbola mafimafy anefa ny miandry ireo vehivavy izay miray vondrona amin'ny Kenya, Bénin, Maroc ary Nigeria dia mety ho fanamafisana ny toerany fotsiny ihany ny an'i Livio, Elly, Fiary ary Rick Ley amin'ity indray mitoraka ity. Ry zareo rahateo no tompondakan'i Afrika sady medaly volamena tany aminlny Lalao Afrikanina farany. Tsy misy dinika fa na ny Frantsay aza nanaiky azy ireo ka vao maika ve fa Bénin, Kenya, Maroc ary Mali izay miray vondrona aminy. Indrindra fa mbola mijanona ho mpanazatra ihany koa i Deda Randrianarivelo. Raha eo amin'izay lehilahy izay dia ahitana an'i Egypta, Alzeria, Ouganda, Sénégal ary Nigéria ny vondrona ilany. Izany hoe fitenena mbola tsy nandresy ny Malagasy hatramin'izay. Asa anefa izay avoakan'ireto Egyptianina ireto fa an-tanany izy no milalao ary be mpanohana. Fa na izany aza dia misy Malagasy maromaro koa ao Le Caire ao.
Clément RABARY

 

Dans la même rubrique

13-juin-2025

Na tamin’ny fotoana nitondràny ny ekipam-pirenena zokiny (Barea A)

Card image cap
13-juin-2025

Azo lazaina ho efa mipetraka ho reharehan’ny baolina kitra afrikanina na hoe

Card image cap
12-juin-2025

Afaka ny fitaintanana ho an’ny ekipam-pirenena Malagasy, Barea A’

Card image cap
12-juin-2025

Nahazo fankasitrahana manokana i RANDRIAMORASATA Ravaka,

Card image cap