Nanoratra tantara goavana eo amin'ny tantaran'ny basketball lalaovin'olona 3 ny Ankoay ekipam-pirenena Malagasy.Nandresy 20 - 19 an'i Espagne izay tompon-daka eran-tany tamin'ny 2025 ny Ankoay sokajy lehilahy ny takarivan'ny alarobia, teo amin'ny lalao fahatelo, tafiditra amin'ny lalaom-bondrona eo amin'ny FIBA 3x3, fiadiana ny tompondaka eran-tany tanterahana any Varsovie Pologne ny 1-7 jona izao. Ny ekipam-pirenena Malagasy mazava ho azy no nandraraka ny La Roja izay tompondaka farany ka nahatafita antsika amin'ny dingana manaraka na ny "Play-in" na ny ampahavalon-dalana izay ny ekipam-pirenena Frantsay no hifandona amintsika. Ny 3 tao anatin’ny vondrona no tafita, ka voalohany i Serbie nandresy tamin'ny lalao 4, faharoa i Australie nahazo fandresena 3, ary fahatelo isika nahazo fandresena 2, ary manana isa 70. Raraka kosa i Espagne izay resy in-telo sy Autriche izay resy tamin'ireo lalao 4 nataony. Nialoha ny fandresena miezinezina nanoloana an'i Espagne dia efa nandresy an'i Australie 22-17 isika. Tamin'ireo lalao roa voalohany kosa dia resin'i Serbie 21-14 sy Autriche 20-15 ny Ankoay tamin'ny lalao roa voalohany. Samy mandray anjara amin'ity FIBA 3x3 any Varsovie ity satria samy tompondakan'i Afrika, saingy tojo faharesena hatrany aloha ny sokajy vehivavy tamin'ny lalao 4, raha tafavoaka kosa ry Marco, Arnold, Anthony, Elly. Mazava ho azy fa hihatsara ny laharantsika izay faha-49 eran-tany nialohan'ny fiadiana ny tompondaka eran-tany tany Mongolie ny 2025, saingy efa tafakatra eo amin’ny faha 20 maneran-tany amin’ny laharan’ny ekipa FIBA 3x3 (World Cup 2026), araka ny “team seed ranking” ofisialy. Midika izany fa Madagascar dia tafiditra ao anatin’ny ekipa 20 matanjaka indrindra eran-tany amin’izao fotoana izao. Voalohany kosa i Serbia, arahin'i Etazonia, Pays-Bas. Madagasikara kosa no ekipa afrikanina tsara toerana indrindra amin’izao fotoana izao, mihoatra an’i Algérie sy Uganda.Tsiahivina fa efa in-telo tompondakan'i Afrika isika (2022, 2024, 2025). Ny filaharana ankampobeny kosa, dia faha 79 eran-tany isika satria miankina amin’ny ekipa rehetra (lehilahy, vehivavy, tanora). Midika izany fa na dia mbola ambany aza ny laharan’ny federasiona, ny ekipa Ankoay lehilahy dia efa tafiditra amin’ny “top 20” maneran-tany amin’ny ekipa tokana. Misaotra Ankoay!
Toky R