Naseho vahoaka omaly tetsy amin'ny Lapan'ny Fanatanjahatena ireo efa-dahy handrafitra ny ekipa malagasy. Ekipa efa tena zatra niaraka ireo ahitana an'i Elly Randriampionona sy Livio Ratianarivo izay efa nifankahalala fony fahakeliby tany Mahanjanga no sady samy havanana amin'ny tifitra ahazoana isa telo. Ny roalahy indray dia rindrina be mirefy 1m 98 dia i Arnol Solondrainy izay reharehan'ny Toliara sy Fiary Rakotonirina. I Deda Randrianarivelo moa efa mpanazatra azy ireo hatramin'izao. Hanainga ny alahady izay ny delegasiona hihazo an'i Novi Sad any Serbia ao amin'ny Akademian'ity firenena ity izay tsy zoviana intsony ny famohany mpilalao avo lenta any amin'ny NBA Hisy lalao fitsapana miaraka amin'ireo firenena hiady ny tompondaka eran-tany any Vienne Autriche ny 30 mey ka hatramin'ny 4 jona. Marihina fa tonga dia midona amin'ny Amerikanina izay misy an'i Bronny zanak'i Lebron James ny ekipa malagasy. Na izany aza dia mbola tsy manari-toky ry Elly sy ny namany .
Clément RABARY
Manomboka tafiditra tsara i Rayan Raveloson ao amin’ny BSC Young Boys
Ny alahady teo no niala teto Madagasikara ny mpanazatra vaovaon’ny ekipam-pirenena