Nanome ny tsara indrindra ny Ankoay Zazalahy sy Zazavavy ary nanandratra avo ny voninahitry ny firenentsika teo imason'i Afrika sy izao tontolo izao, hoy izy. Tsy nampitsanga-menatra ny herim-po nasehon’izy ireo tamin’ny lalao famaranana nifanandrinany tamin’ny ekipan’i Egypta izay ekipa andrarezina eto Afrika. Raha tsiahivina dia efa nandrombaka ny tompondakan’i Afrika tamin’ity taranja ity isika malagasy tamin’ny taona 1970 rehefa nandavo ny ekipan’i Egypta ny ekipam-pirenena vehivavy tamin’izany fotoana. Ankehitriny, manoratra ny tantara indray ireto tanorantsika ireto ary manantena isika fa hamiratra indray i Madagasikara. Nahafaly ahy ny nanolotra fankasitrahana na « prime » ho azy ireo teto amin’ny lapam-panjakana Iavoloha. Amin’ny maha mpanao fanatanjahantena ny tenako dia tena tsapako ary niainako izany fahasahiranana manomana fifaninanana na « compétition » izany. Izay no hanomezako ny fanampiana ara-bola isam-bolana ho azy ireo manomboka ny volana septambra izao, izay karazana vatsy na « bourse » hanomanana ny tompondaka eran-tany. Ianareo no reharehan’ny firenena. Tohizo hatrany ny ezaka, indrindra, ho anareo ekipa zazalahy izay hiatrika ny fiadiana ny ho tompon-daka eran-tany amin’io taona hoavy io, izay sambany eo amin’ny tantaram-pirenena. Hanohana anareo mandrakariva ny tenako sy ny vahoaka satria voninahi-pirenena no harovana. Hosoratantsika mamiratra ny tantaran'ny fanatanjahantena malagasy hampisandratra ny ambopom-pirenena izay efa nofaritantsika mazava ao anatin’ny Velirano, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Nilatsaka ny fanapahan-kevitry ny CAF (Confederation Africaine de Football) omaly 14 janoary 2025,