Raha ny marina dia ny zava-bitany tany no nahatonga any ho be mpitady izao. Ny somary manaitra kely anefa dia ny tsy fisian'ny anaran'ireo ekipa nanafatra an'i Berajo. Tsy mora anefa ny fifindrana toy izao fa misy fankatoavan'ny federasiona sy ireo ekipa nivoahany ary ny nitaiza azy. Ny tena mampieritreritra dia ny fahafantarana fa ao ambadika ity raharaha ity indray ingahy Lova Ramisamanana ilay nikarakara lalao nataon'ny Barea indroa tany Frantsa nefa dia tsy mbola mazava hatramin'izao ny fandehan'ny vola.
Clément RABARY
Iaro Razanakoto, antsoina hoe Jormmanbou, dia anisan’ny olo-malaza amin’ny hazakazaka
Mety farany vao misy ventiny ity andiany faha-28 n’ny Jeux Corporatifs
Resin’ny FDM Sofia tamin’ny isa 3 noho 1 ny FC Mananjary V7V‚ tamin’ny lalao