airtel

Sport

31-mars-2021

Sport

CAN 2022 Rava ny nofinofin’ny Malagasy

Sample post image

Tapitra hatreo ny nofinofy amin’ny ahitana ny Barean’i Madagasikara indray any CAN 2022 hotanterahina any Cameroun,

31-mars-2021

 

 

toy ny tany Egypte ny taona 2019. Tapitra teo amin’ny fifanintsanana isam-bondrona ny dian’ny ekipam-pirenena Malagasy na efa nanokatra varavarana malalaka ho antsika aza ny Ivorianina, izay nandavo 3-1 an-dry zareo Etiopianina, raha toa ka nisaraka ady sahala 0-0 kosa ny Barea sy ny Mena avy any Niger. Efa resintsika tamin’ny isa 6-2 tany an-taniny anefa i Niger tamin’ny lalao mandoso. Raha niankina tamin’ny lalaon’i Ethiopie sy Côte d’Ivoire ny vintana ho antsika na mandresy an’I Niger aza, dia tsy izay no niseho. Tena nanome làlana malalaka ho antsika ny voka-dalaon’ny Ivorianina, dia isika indray no tsy namokatra. Niady hatramin’ny farany ny Ekipam-pirenena, saingy tsy nisy ny vitana ho antsika. Raha haravona ny isa azo tao anatin’ny lalao isam-bondrona dia voalohany i Côte d’Ivoire nahazo isa 13 satria nandresy in’efatra ary ady sahala iray, faharoa i Ethiopie manana isa 9 nahazo fandresena 3 sy faharesena 3, fahatelo i Madagasikara nanana isa 8 tamin’ny alalan’ny fandresena 2 sy ady sahala roa, ary fahaefatra kosa I Niger izay nanana isa 4 tamin’ny alalan’ny fandresena iray sy ady sahala iray, ary faharesena efatra. Matoa tsy tafita ihany koa anefa, dia misy ny lesoka samihafa mila harenina. Izao tokoa angamba no tonga amin’ilay fitenin’i Nelson Mandela hoe: « Je ne perds jamais, sois je gagne, sois j’apprends », tsy resy izany mihitsy aho, fa na mandresy na maka lesona. Any amin’ny fifanintsanana hiakarana amin’ny fiadiana izay ho tompondaka eran-tany hatao any Qatar ny taona 2022 indray no afaka manarina isika, na azo ambara ho mafy kokoa noho ny fifanintsanan’ny CAN aza no miandry ao anatin’izany. Maro ny lesona azo tsoahiana amin’ireny, ka ny hirariana dia ny hiarenan’ny Barea haingana satria mbola maro ny zavatra miandry. Tokony tsy hampidirana resaka politika na sanatria hatao fitaovana politika ihany koa ny fanatanjahantena.

Toky R

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Fanapahan-kevitra maromaro no noraisina sy nankatoavin'ny ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly ho an’ny lafiny fanatanjahantena.

Card image cap
25-avril-2024

Vahiny mangan'ny ligin'ny baolina kitra ny Diana i Arsène Malabary.

Card image cap
25-avril-2024

Banga iray indray ny lomano malagasy. Norimandry omaly ny Kolonely Jaovanona

Card image cap