airtel

Sport

18-janv-2024

CAN 2023

Mafy ilay Mali

Sample post image

Tena mafy be ilay Mali. Ny fanontaniana tonga ao an-tsaina sahady

18-janv-2024

dia ny hoe mba mety ho resin'ny Barea ve ireto satria samy iray vondrona ao amin'ny fifanintsanana hanao ny Amboara eran-tany. Ny tsy hitovozany amin'ny Barea aloha dia matihanina daholo ireo mpilalao. Resin'i Mali 2 noho 0 ny Bafana Bafana avy atsy Afrika Atsimo. I Adama Traoré izay mpilalaon'ny Hull City, diviziona faharoa any Angletera, no nanokatra ny isa. Nampian'i Lassane Sinayoko izany enina minitra taty aoriana. Ity farany moa dia miaraka milalao amin'i Rayan Raveloson ao Auxerre. Ny tena herin'i Mali dia ny fahaizany miaraka satria efa mpilalao mifankafantatra daholo ny ankamaroany. Ny azo antoka aloha dia tsy mora no miandry ny Barea amin'ireto Mali ireto. Raha mbola miampy an'i Comores dia tena mbola sarotra no miandry raha tsy hoe manaiky ny ho avy daholo ireo mpilalao avo lenta toa an'i Andy Pelmard, Francis Coquelin ary Ludovic Ajorque izay efa mpianatr'i Rado Rasoanaivo tany Tampon. Tsy vitan'ny hoe amana amin'i Rado Rasoanaivo ny dadany.
Clément RABARY
 

Dans la même rubrique

13-mai-2024

Resy ny Ladies Makis omaly. Resy 17 noho 46 nanoloana ny Springbok Afrika Atsimo.

Card image cap
13-mai-2024

Nanao izay ho afany ry Clément Couturier sy ny namany ao amin’ny Swift Esperange

Card image cap
13-mai-2024

Tena mikorontana ambany ambony ny Pure Play Football League amin'izao.

Card image cap
13-mai-2024

Nitondra setriny manoloana ny fifandirany amin’ny AS Fanalamanga izay nanao valan-dresaka tamin'ny mpanao

Card image cap
13-mai-2024

Tombanana ho fara-fahatarany amin’ity herinandro ity ny fiantsoana ireo mpilalao handrafitra ny ekipam-pirenena

Card image cap