airtel

Sport

01-févr-2024

CAN 2023

Tafakatra ny Bafana Bafana

Sample post image

Nahazera tendrombohitra i Afrika Atsimo omaly raha naharesy ny Maroc tamin'ny isa 2 noho 0.

01-févr-2024

Tsy nisy dinika fa dia nataon'ny Afrika Atsimo amin'ny fanaovana azy ka nivoaka sempotra ny Lionan'ny Atlas. I Évidence Makgapo no nanokatra ny isa (57) ary tany amin'ny fanalavam-potoana no nanampy isa indray ny Bafana Bafana tamin'ny alalan'ny kapiteniny Mokoeno izany mpilalao ny Witts University FC. I Mokgopa kosa dia milalao ao amin'ny Orlando Pirates raha avy amin'ny Mamelodi Sundowns ny maro amin'ireo ao amin'ity ekipa ity Porofo izany fa rehefa tsara ny fifaninana ao an-toerana dia mahita vokatra. Raha hiverenana ilay lalao dia tsy nahatsindry ho ny Marokanina hany ka na i Sofyan Amrabat izay mpilalaon'ny Manchester United aza dia nahazo karatra mena. Tsy nijanona teo fa nenjehina hatramin'ny mpitsara, ilay Gabonais Pierre Ghislain Atcho. Toy izao ny fandaharan-dalao amin'ny ampahaefa-dalana. Zoma 2 febroary 8 ora alina ; Nigéria # Angola 11 ora alina : Guinée # RD Congo Sabotsy 3 febroary 8 ora alina : Mali # Côte d'Ivoire 11 ora alina : Afrika Atsimo # Cap Vert.
Clément RABARY
 

Dans la même rubrique

13-mai-2024

Resy ny Ladies Makis omaly. Resy 17 noho 46 nanoloana ny Springbok Afrika Atsimo.

Card image cap
13-mai-2024

Nanao izay ho afany ry Clément Couturier sy ny namany ao amin’ny Swift Esperange

Card image cap
13-mai-2024

Tena mikorontana ambany ambony ny Pure Play Football League amin'izao.

Card image cap
13-mai-2024

Nitondra setriny manoloana ny fifandirany amin’ny AS Fanalamanga izay nanao valan-dresaka tamin'ny mpanao

Card image cap
13-mai-2024

Tombanana ho fara-fahatarany amin’ity herinandro ity ny fiantsoana ireo mpilalao handrafitra ny ekipam-pirenena

Card image cap