airtel

Sport

16-janv-2024

CAN 2023

Tsy misy ekipa kely intsony

Sample post image

Hiady ity CAN 2023 ity raha ireo vokatra voalohany no jerena.

16-janv-2024

Horohorontany mihintsy aza no niseho tao Abidjan satria resin'ireo Atsantsa Manga dia ny Ekipam-pirenenn’i Cap Vert tamin'ny isa 2 noho 1 ny Ghana an'i Inaki Williams sy Jordan Ayew. Azo atao ihany izany ireto Kintana Mainty ireto ary vaovao tsara ho an'ny Barea izany satria tsy atahorana intsony i Ghana. Raha ao amin'ny Vondrona misy ny Barea amin'ny fifanintsanana amin'ny Amboara eran-tany dia Mali sy Comores sisa no mety mahasakana ny lalan'ny Barea. Fa raha hiverena ny CAN dia mbola nivoaka sempotra koa ny Egypte nanoloana ny Mamba avy atsy Mozambika. Efa nitarika 2 noho 1 aza moa ireto farany vao nomen'ny mpitsara penalty ny Pharaons ka matin'i Mohammed Salah nefa efa tany amin'ny minitra faha 97. Efa tena tsy rariny nefa ho hita ihany ny tohiny fa ny ahafantarana fa nahantona ilay moitdara no midika fa voasazy izy. 2 noho 2 moa ny nisarahan'ny toa tonta fa na izany aza dia midika izao fa tsy misy ekipa madinika izany intsony.
Clément RABARY
 

Dans la même rubrique

13-mai-2024

Resy ny Ladies Makis omaly. Resy 17 noho 46 nanoloana ny Springbok Afrika Atsimo.

Card image cap
13-mai-2024

Nanao izay ho afany ry Clément Couturier sy ny namany ao amin’ny Swift Esperange

Card image cap
13-mai-2024

Tena mikorontana ambany ambony ny Pure Play Football League amin'izao.

Card image cap
13-mai-2024

Nitondra setriny manoloana ny fifandirany amin’ny AS Fanalamanga izay nanao valan-dresaka tamin'ny mpanao

Card image cap
13-mai-2024

Tombanana ho fara-fahatarany amin’ity herinandro ity ny fiantsoana ireo mpilalao handrafitra ny ekipam-pirenena

Card image cap