airtel

Sport

09-mai-2023

Sport

Clio Trophy Laharana fahatelo i Mika

Sample post image

Tonga laharana fahatelo i Mika Rasoamaromaka nandritry ny fiadiana ny tompondakan'i Lafrantsa Clio Trophy lalan-tany farany teo tany Castine.

09-mai-2023

Fahatelo teo amin'ny laharana ankapobeny izy raha niaraka tamin'i Bastien Pouget fa voalohany eo amin'ny sokajy Junior. Azo lazaina fa mivoatra hatrany ity zanaky ny Governoran'Analamanga ity. I Faniry ilay kambana aminy moa dia nandray anjara tamin'ity fifaninanana ity koa ary niaraka tamin'i Baptiste Langlois fa saingy tsy tazana. Io antony io izany no tsy handraisan'izy mirahalahy amin'ny Rallye Motul amin'ny faran'ny herinandro ity ka nahatonga an-drainy handray ny familiana ny Peugeot 208 izay isan'ny matanjaka indrindra aloha hatreto. Ity fiara zo amin'iny sokajy R5 ity no nandrombahan'i Mika ny anaram-boninahitra tompondakan'i Madagasikara tamin'ny taona lasa.
Clément RABARY
 

Dans la même rubrique

19-mai-2025

Iaro Razanakoto, antsoina hoe Jormmanbou, dia anisan’ny olo-malaza amin’ny hazakazaka

Card image cap
19-mai-2025

Mety farany vao misy ventiny ity andiany faha-28 n’ny Jeux Corporatifs

Card image cap
19-mai-2025

Resin’ny FDM Sofia tamin’ny isa 3 noho 1 ny FC Mananjary V7V‚ tamin’ny lalao

Card image cap