airtel

Sport

07-oct-2021

Sport

Coach Eric Rabesandratana “Manam-paniriana handresy isika, saingy…”

Sample post image

Nandritra ny valan-dresaka tamin’ny mpanao mpanao gazety tany Kinshasa omaly no niresahan’ny mpanazatra Eric Rabesandratana ny fahitany ny lalao izay

07-oct-2021

 hifanandrinan’ny Léopards ny Congo sy ny Barean’I Madagasikara anio 7 oktobra izao amin’ny 2ora any Kinshasa (amin’ny 4ora tolakandro aty amintsika). “Manana ekipa tsara ny Repoblika Demokratikan’i Congo izay ahitana mpilalao mandray anjara amin’ny Ligue des Champions sy amin’ny Ligue Europa”, hoy ny mpanazatra Malagasy. Ho antsika kosa, nambarany fa manam-paniriana ny handresy isika saingy mila manana fanetren-tena manoloana ny mpifanandrina. Tsy nihambahamba ny mpanazatra Eric Rabesandratana, fa “efa miha-lehibe ireo mpilalao mandrafitra ny Barea, efa andalam-pamaranana ny filalaovana ny ankamaroany. Tsy maintsy misy ny fanavaozana ny ekipam-pirenena ary ao anatin’ny fitiliana ireo tanora izahay ankehitriny ”, hoy izy. Nanontanian’ny mpanao gazety izy momba ny lalao tany amin’ny CAN 2019, ka nilazany, fa nahavita fahagagana ny Barea tamin’izany, kanefa androany dia tsy maintsy manaiky sy manontany tena isika ary miverina miasa , kanefa sarotra izany satria maro ireo toe-javatra nisy fiovana”, hoy hatrany I Eric Rabesandratana. Nanome toky anefa ny tenany hoe: “Eto aho hitondra fanamby lehibe. Ny tanjoko dia ny ahitana indray an’i Madagasikara ary hitazomana ny fahaiza-manao tamin’ny CAN 2019. Tsy nanova ireo ekipa isika tamin’ny lalao roa na telo kanefa fotoana izao izay tsy hananana fisalasalana indindra amin’ny fomba fiasana vaovao », hoy izy. « Isaky ny lalao dia mahita mpilalao vaovao isika. Miezaka mitazona ireo rafitra ihany anefa, mandritra ny fanovana, mba hirosoana hatrany. Ilaina ny faharetana eo amin’ireo mpankafy sy ireo tompon’andraikitra. ” Faharesena indroa nifanesy izay no azontsika kanefa nandritra ireo lalao roa ireo dia niroso hatrany. Raisina ho isan’ny fanomanana ihany ity fifanintsanana ny fiadiana ny amboara eran-tany ity, fa ny tena tanjona dia ny CAN 2023 “.

Nilaza kosa ny mpanazatra congolais fa vonona tsara hihaona amin’ny Madagasikara anio, ary hanao izay tratra hakana fandresena na dia misy mpilalao tsy afaka milalao aza ireo nantsoina. ”Mahay baolina ny Malagasy ary tsy azo ambanina satria efa niezaka nijery ny lalao nataony izahay” hoy i Hector Cuper.
Toky R
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Hetsika ara-panatanjahantena fanao isan-taona natao hampiray ireo mpisehatra amin’ny

Card image cap
26-avril-2024

Azo lazaina ho mametraka ny traikefany tanteraka amin’izao fotoana ilay irakiraka

Card image cap
25-avril-2024

Fanapahan-kevitra maromaro no noraisina sy nankatoavin'ny ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly ho an’ny lafiny fanatanjahantena.

Card image cap
25-avril-2024

Vahiny mangan'ny ligin'ny baolina kitra ny Diana i Arsène Malabary.

Card image cap
25-avril-2024

Banga iray indray ny lomano malagasy. Norimandry omaly ny Kolonely Jaovanona

Card image cap