airtel

Sport

06-févr-2025

Corentin Martins

Hifantina mpilalao any Eoropa sy Etazonia

Sample post image

Ny alahady teo no niala teto Madagasikara ny mpanazatra vaovaon’ny ekipam-pirenena

06-févr-2025

malagasin’ny baolina kitra, Corentin Martins, raha ny fampitam-baovao voaray. Hisy, noho izany, ny fihaonany amin’ireo mpilalao malagasy mila ravinahitra any am-pitan-dranomasina, indrindra, ireo any Eoropa sy Etazonia. Hifantina mpilalao any Eoropa sy Etazonia, araka izany no isan’ny fandaharana goavan’ity mpanazatra ity ao anatin’izao fivoahany ny nosy izao, hoy hatrany ny fampitam-baovao. Nilaza moa ny tenany fa ireo tena hita fa mendrika indrindra sy mahay indrindra no ho antsoina sy ho resana lahatra handrafitra ny ekipam-pirenena na ny Barea satria goavana ny tanjona dia ny ho tody any amin’ny dingana famaranana ny fiadiana izay ho tompon’amboara eran-tany 2026.
Nangonin’i J. Mirija
 

Dans la même rubrique

14-mars-2025

Tanterahana manomboka anio hatramin’ny alahady 16 martsa izao any Thailande

Card image cap
14-mars-2025

Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy moa iny ireo mpilalao miisa 26 voaantso

Card image cap