airtel

Sport

23-sept-2024

Depiote Todisoa Andriamampandry

Nanolotra omby 3 sy ondry 8 teny Anosibe Zaivola

Sample post image

Nitora-jofo indray ny kianja Todisoa etsy Anosibe Zaivola Ambohimanarina ny faran’ny herinandro teo.

23-sept-2024

Ambohipihaonan’ireo mpilalao baolina kitra na tanora na ireo efa zokinjokiny teny an-toerana, ankoatra ireo vahoaka tsy tambo isaina izay sady niala voly no nanohana. Nafana hatrany ny ady baolina kitra fanao eny an-toerana izay niditra indray tamin’ny dingana famaranana, ka toy ny mahazatra dia tonga nanolotra omby lehibe miisa 3 sy ondry miisa 8 ho an’ireo mpilalao sokajy tanora sy « vétérans » tafavoaka mpandresy sy mendritra tao anatin’ny fifaninana ny depiote Todisoa Andriamampandry. « Manohana hatrany ny mpanao fanantajahan-tena, hitaizana vatana mba ho salama tsara sy hahazoana saina matsilo, mba ialana koa amin’ny zava-mahadomelima ary mba ho fialam-boly ho an'ny rehetra », hoy io solombavambahoaka io. Tsy vao sambany fa efa fanaon’ity depiote ity moa ny tahaka izao ho anjara biriky hanohanana ny mpanao sy mpitia fanatanjahantena. Ampahany ihany koa amin’ireo asa sosialy fanaony, ary saika mahazo ny anjarany avokoa ny sokajy rehetra. Fomba firesak’ity depiote ity matetika rahateo ny hoe : tsy misy manana ny ampy fa sambatra izay mifanampy.
Toky R

 

Dans la même rubrique

19-mai-2025

Iaro Razanakoto, antsoina hoe Jormmanbou, dia anisan’ny olo-malaza amin’ny hazakazaka

Card image cap
19-mai-2025

Mety farany vao misy ventiny ity andiany faha-28 n’ny Jeux Corporatifs

Card image cap
19-mai-2025

Resin’ny FDM Sofia tamin’ny isa 3 noho 1 ny FC Mananjary V7V‚ tamin’ny lalao

Card image cap