airtel

Sport

02-nov-2026

Ekipam-pirenena

frantsay U15

Sample post image

Noverezin'ny Barea lavitra be

02-nov-2026

Ekipam-pirenena miisa 3, heverina ho isan'ny goavana manerantany, no mialohan'ny ekipam-pirenena malagasy eo amin'ny taranja baolina kitra na Barea latsaky ny 15 taona, izany hoe, U15, nandritry ny fiadiana ny amboara erantany farany teo, raha ny filaharana ofisialy farany. Faha 34 i Portugal. Faha 35 i Argentine. Faha 36 i Senegal. Faha 37 i Madagasikara. Verezin'ny Barea lavitra be kosa ny ekipam-pirenena frantsay na Les Bleus, laharana faha 70. Nahita fandresena miisa 8 tao anatin'ireo lalao miisa 10 natrehiny ny malagasy tao anatin'izay Azerbaïdjan 2026 izay ary nizaka faharesena 2. Nahatafiditra baolina miisa 24 fa nidirana 18 kosa. Faha 37 amin'ny firenena miisa 189 nandray anjara ny Barea fa faha 5 ao amin'ny sokajy B na "Division B" kosa, raha ny fampitàm-baovao voaray hatrany.
Nangonin'i J. Mirija
 

Dans la même rubrique

02-nov-2026

Tompondaka ry Iaro Razanakoto

Card image cap
30-oct-2026

Nandresy 2-1 an’i Slovaquie,

Card image cap