Nandrombaka fandresena lehibe teo amin’ny taranja hazakazaka fiarakodia i Iaro Razanakoto sy Sandy Stuvik, rehefa tafavoaka ho voalohany tamin’ny fifaninanana notontosaina tao Buriram, Thaïlande, tao anatin’ny Thailand Super Series. Nitsimbadika ho fandresena ny laharana faha-4 teo amin'ny fiaingana satria io ny toerana nisy azy ireo tao anatin'ny andro voalohany. Nitondra ny fiara Audi R8 LMS GT3 Evo II, laharana faha-888, an’ny ekipan’ny B-Quik Absolute Racing, izy mirahalahy no nahazo ny laharana voalohany teo amin’ny tsipika fahatongavana. Vao segaondra vitsy dia tafiditra voalohany ny ekipazy, ary nitarika hatramin'ny farany na niezaka nanenjika sy nanao tsindry aza ny ekipa Singha izay nitarika tamin'ny andro voalohany. I Sandy indray no niditra voalohany teto, ary i Iaro no namarana ny ady izay nahita fe-potoana tsara. Fandresena lehibe izany, taorian’ny saika nahazoan’izy ireo ny fandresena tamin’ny dingana teo aloha tany Sepang, Malezia, elanelana efatra segondra monja no nanasaraka azy ireo tamin'ny Singha tamin'io, efa tao anatin'ny segaondra farany no voasongona, ka lasa laharana fahatelo. « Efa ho 10 taona no niandrasako ity andro ity. Ny fandresena amin'ny hazakazaka GT3 izay fifaninanana avo lenta indrindra anatiny tontolon'ny GT3. Anisany zava-tsarobidy indrindra nitranga teo amin'ny fiainako ity androany ity ,Nofinofy tanteraka. Afrikanina voalohany nahazo ny GT3 teto Asie atsimo atsinanana "Thaïlande" ary Malagasy voalohany nandrombaka ny hazakazaka tamin’ny GT3. Andriamanitra dia manana drafitra. Mahay isika malagasy fa mila mifanohana. Ho an’ny Malagasy rehetra sy ho an’i Afrika ity fandresena ity. », hoy i Iaro Razanakoto. Ny hiram-pirenena malagasy niredona taminy farany no tena nampihentsim-po. « Nitondra fandresena avo lenta isika Androany. Misaotra indrindra an'ireo Malagasy rehetra izay nanohana hatramin’ny farany », hoy hatrany izy. Reharehantsika foana rehefa misy Malagasy mamiratra tahaka izao, izay tsiahivina fa tsy vao sambany no nandrombaka anaram-boninahitra goavana tahaka izao i Iaro Razanakoto.
Toky R