tia tanindrazana

Parution du Vendredi, 2 Juin 2023

airtel

Sport

Ekipan’ny Barea CHAN Nafana ny fitsenana an-dRakool, Jean Yves, Rojo Be

Noraisina tamin’ny fomba manetriketrika tahaka ny maherifo ireo mpilalao 3 mirahalahy isan’ny nandrafitra ny Barea CHAN tany Algérie dia i Koloina Razafindranaivo na Rakool,

09-févr-2023

Sample post image

Jean Yves Razafindrakoto, Rojolalaina Andriamanjato. Hafaliana no nandraisan’ny vahoakan’Ambohimarary sy ny manodidina azy ireo, ka vahoaka sesehena no nanotrona azy telo mirahalahy ireo tetsy amin’ny Kianjan’ny Coma Ambohimirary omaly. Ireto mpilalaon’ny Barea telo mirahalahy ireto izay novolavolain’ity Kianjan’Ambohimirary, ary mipetraka ho rehareha sy olo-malaza eny an-toerana ry zalahy ankehitriny noho ny ezaka vitany teo amin’ny baolina kitra, ary mbola manaporofo izany ny hikopahan-dRakool sy Rojo be any ivelany, ary heverina fa hanara-dia azy ireo tsy ho ela ihany koa i Jean Yves izay nitondra ny fandresena ho antsika nahazoana ny laharana fahatelo. Ankoatra azy telolahy ireto, nialohan’izao dia nafana ihany koa ny fitsenana ireo mpilalao hafa, toa an’i Tendry tetsy Ilafy, Dounga teny Itaosy,…
Toky R

 

Dans la même rubrique

Card image cap
Tsipy Kanetibe Mafy ireto Betafo ireto
02-juin-2023

Voaporofo ny faran'ny herinandro teo fa tena manana mpilalao kanetibe tena mahay ny ao Betafo.

Card image cap
Basket 3x3 Resin'ny Malagasy ny Frantsay
02-juin-2023

Farany vao tena nisy ventiny ny zava-bitan'ny Ankoay izay nandresy ny Frantsay tamin'ny isa 21 noho 20 omaly nandritra ny fiadiana tompondaka erantany amin'ny Basketball lalaovin'olona 3 any Vienne Autriche.

Card image cap
Roro Rakotondrabe « Izay Malagasy ao amin'ny heriny no horaisiko »
01-juin-2023

Nivoaka ny fahanginany i Roro Rakotondrabe taorian'ny nanendrena azy ho mpanazatran'ny Barea A. Voninahitra an-tsobika izany ka tsy azo atao am-patambary raha ny nambarany.

Card image cap
Basketball - Ankoay Brezila sy Frantsa indray ny anio
01-juin-2023

Miditra amin'ny andro faharoa ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany eo amin'ny basket 3x3 tontosaina any Vienne Autriche. Hihaona amin'ny Brezila indray ry Elly sy ny namany anio amin'ny 7 ora sy 40 mn.

Voir plus