ho an’ireo latsaky ny 19 taona, ihany ilay lohalaharana malagasy 18 taona, El Hadary na El Hadary Raheriniaina, nanoloana ny Andrézieux Bouthéon FC ny alahady teo. Lalao izay nanjakàn’ny Paris FC tanteraka tao an-jaridainan’olona izy ity satria dia nandresy tamin’ny isa mavesatra 1 noho 5 izy ireo. Izy ireo no nanokatra ny isa tamin’ny alalan’i Benoît-Dao teo amin’ny minitra faha 27. Nanampy izany avy eo taty amin’ny fizaràm-potoana faharoa i Mohamed Ba teo amin’ny minitra faha 53. Nanena ny elanelan’isa kosa i Lonan teo amin’ny minitra faha 66, ho an-drizareo mpampiantrano. 3 minitra taty aoriana nefa dia efa tafiditra indray ny baolina faha 3 ho an’ny parizianina, tamin’ny alalan’i Camara. Mbola nanampy izany avy eo ny malagasy, El Hadary, teo amin’ny minitra faha 84 ary mbola nanampy trotraka avy eo i Samy Taleb teo amin’ny minitra faha 90.
J. Mirija
Tontosa ny alin’ny talata teo tao amin’ny kianjan’i Abbé-Deschamps,