airtel

Sport

03-mai-2021

Sport

Eric Rabesandratana Efa manomana ny paikady vaovao

Sample post image

I Eric Rabesandratana no voatendry ho mpanazatra vonjimaikan’ny Barean’i Madagasikara mandra-pisian’ny toromarika vaovao.

03-mai-2021

 

 

Hitantana ny ekipam-pirenena ao anatin’ny andro voalohany sy faharoa amin’ny fifanintsanan’ny Mondial 2022. 48 taona izy, mpilalaon’ny Klioba Frantsay PSG ny taona 1997-2001 sady efa kapitenin’io klioba io. Voaantso nanatevin-daharana ny ekipam-pirenena Malagasy tamin'ny andron'ny Scorpions ny taona 2007. Nanangana ny ny US Champions Soccer Academy tany Etazonia ny taona 2014 ary nanazatra ny ekipan'ny FC Miami Ny sabotsy teo tao amin’ny fahitalavitra vahiny CCTV dia naneho fa 70% ny herijika mety haha tompon-toerana amin'izay i Hakim Abdallah sy Mathyas Randriamamy amin'ny fampivondronana izay ataony. Ary anisan'ny ahazo tombony manokana amin'izany i Mathyas, izay ho raisin'ny manokana ny momba azy. Naneho izy fa nahavita nandresy lahatra mpilalao malagasy 03, izay mbola tsy voantso Barea mihitsy. Milalao ao Eoropa avokoa araka ny nambarany hatrany. Ny iray amin'ireo dia voalaza fa "mpiandry tsato-by" amin'ny Ligue 1. Anarana mandeha ny an’i Yannick Pandor, mpiandry haraton’ny RC Lens, izay voalaza fa Malagasy ny rainy, ary lehibe tany Frantsa izy. Mety ho tafaverina ao anaty fampivondronana ihany koa i Hery Bastien, izay mbola vinavina aloha hatreto.

Toky R

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Hetsika ara-panatanjahantena fanao isan-taona natao hampiray ireo mpisehatra amin’ny

Card image cap
26-avril-2024

Azo lazaina ho mametraka ny traikefany tanteraka amin’izao fotoana ilay irakiraka

Card image cap
25-avril-2024

Fanapahan-kevitra maromaro no noraisina sy nankatoavin'ny ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly ho an’ny lafiny fanatanjahantena.

Card image cap
25-avril-2024

Vahiny mangan'ny ligin'ny baolina kitra ny Diana i Arsène Malabary.

Card image cap
25-avril-2024

Banga iray indray ny lomano malagasy. Norimandry omaly ny Kolonely Jaovanona

Card image cap