airtel

Sport

28-oct-2021

Sport

Eric Rabesandratana sy ny Barea Nisafidy ny hifantoka tanteraka amin’ny ho avy

Sample post image

Ao anatin’ny fanomanana ny hoavin’ny Barea isika, hoy ny naverimberin’ny mpanazatra ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra, Eric Rabesandratana,

28-oct-2021

 omaly nandritry ny fampahafantarana ireo mpilalao nantsoiny indray hiatrika ny andro faha 5 sy faha 6 farany eo amin’ny fiadiana ny tapakila ahafahana mandray anjara amin’ny amboara eran-tany atao any Qatar amin’ny taona 2022. Antony iantsoany mpilalao vaovao isaky ny misy fifampivondronana io, raha ny fanazavany, ary fotoana hanararaotana hanomezana sehatra ireo mpilalao tanora izao, hoy izy. Ao anatin’izay hoavy izay ireo fihaonana amin’I Benin sy Tanzania ho avy izao ireo. Isany koa ny tompondakan’I Afrika amin’ny taona 2023 sy ny manaraka rehetra, hoy hatrany ny tenany. Nisafidy ny hifantoka tanteraka amin’ny hoavy, araka izany, ity mpanazatra ity sy ny Barea, raha alalinina ny votoatin’ny tafa nomeny omaly. Tsikaritra ho miha mametraka ny fahefany amin’ny maha mpifantina na “sélectionneur” sady mpanazatra na “coach” azy amin’izay ihany koa I Eric Rabe ary niezaka nampiseho fa tsy miverina amin’ny teny nomeny sy ny fanapahan-keviny toy izay namafisiny farany dia ny hoe tsy hiantso ireo efa nanda tsy ho avy intsony. Isan’ireo mpilalao tsy hita tao anaty lisitra, ohatra, ry Abel Anicet sy Carolus Andrea izay nilaza ho naratra nefa andro vitsy monja taorian’ny nilazan’izy ireo izany dia hita ho nilalao tany amin’ireo kliobany avy ihany. Tsy voaantso koa i Jerome Mombris izay nanambara tamina fampahalalam-baovao iray fa tsy hiverina intsony raha tsy miova ireo mpitantana.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Hetsika ara-panatanjahantena fanao isan-taona natao hampiray ireo mpisehatra amin’ny

Card image cap
26-avril-2024

Azo lazaina ho mametraka ny traikefany tanteraka amin’izao fotoana ilay irakiraka

Card image cap
25-avril-2024

Fanapahan-kevitra maromaro no noraisina sy nankatoavin'ny ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly ho an’ny lafiny fanatanjahantena.

Card image cap
25-avril-2024

Vahiny mangan'ny ligin'ny baolina kitra ny Diana i Arsène Malabary.

Card image cap
25-avril-2024

Banga iray indray ny lomano malagasy. Norimandry omaly ny Kolonely Jaovanona

Card image cap