Tontosa omaly tetsy amin’ny kianjan’i Betongolo ny ivon’ny fankalazàna ny faha 5 taonan’ny sekolin’ny baolina kitra JSUM. Ny novambra 2026 ity, hoy ny filohan’ny sekoly, Tanjona Rasoloherimanalina na Batsy, no hamaranana ny fankalazàna. Fifaninana baolina kitra ho an’ireo katita kely latsaky ny 13 taona no nanamarihana izany teny an-toerana nanomboka ny sabotsy 30 may teo ary nifarana omaly 31 may. Tanjona tao anatin’izao ihany koa, hoy ny fanazavàna, ny fampitomboana traikefa an’ireo sekolin’ny baolina kitra misy eto Antananarivo sy ny manodidina. Miisa 94 izy ireo tamin’ity indray mitoraka ity. Tsikaritra ho tsy ampy fifaninanana hatramin’izay ireo katitakely nefa io no tena mampivoatra azy ireo. Ohatran’ny any am-pianarana ihany io hoe rehefa zatra manao fanadinana ny mpianatra dia mitombo fahaizana. Misy antenaina ho taniketsan’ny ekipam-pirenena any aoriana any nefa raha ireto katita kely ireto, hoy hatrany ny tompon’ny fankalazàna. Nanampy tamin’ny fikarakaràna izao fifaninanana izao ihany koa moa ny FIEF Mada. «Ny teny mahasarika fa ny atao mahatarika», hoy ny sekretera jeneralin’ny FIEF Mada, Solofonandrianina Rabetokontany na Kroots, no teny filamatray. Tsy amin’ny alalan’ny teny ihany, hoy izy, no hanaovana fanabeazana fa mila mampiseho ohatra ny tsirairay. Miainga avy any ifotony ny fanabeazana. Misy fitsipika na «discipline» efa hanabeazana sahady ireo katitakely ireo ho entiny eny amin’ny fiarahamonina sy faritra misy azy, eny, iriana ho an’ny firenena manontolo mihitsy. Fandraisana anjara amin’ny fampivoarana ny baolina kitra eny ifotony izao. Tena mivoatra ny katitakely. Tekinisianina daholo koa ireo mpanazatra. Famolavolana taninketsa hoavin’ny baolina kitra malagasy no tanjona, hoy hatrany ny FIEF Mada.
Nangonin’i J. Mirija