airtel

Sport

25-août-2023

Sport

Fandraisana ny lalaon’ny nosy Nialohavana savorovoro sy fahafaham-baraka

Sample post image

Fiaramanidina kely iray no nianjera tao Besakoa omaly ary namoizana ain’olona.

25-août-2023

Nitaraina ho tratry ny fanapoizinana ara-tsakafo na “intoxication alimentaire” ireo atleta avy amin’ny nosy rahavavy izay mandray anjara amin’ity lalaon’ny nosy aty amin’ny ranomasimbe indianina andiany faha 11 atao eto Madagasikara ity toy ireo maorisianina. Nitaraina toy izany koa ireo mpitsara lalao kaomorianina izay natao hitsara ny fifanandrinan’ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra na Barea sy i Seychelles omaly hariva. Lozam-piarakodia mahatsiravina no nitranga tany Fandriana ka namoizana ain’olona iray sy naharatrana olona miisa 13,... Nialohavana savorovoro sy fahafaham-baraka, araka izany, ity lalaon’ny nosy andiany faha 11 atao eto Madagasikara ity. Teo koa ny mpitandro filaminana nandaroka mpianatra nitaky zo teny Ankatso. Mpianatra kely iray no nanaovana mpitandro filaminana am-polony mirongo fitaovam-piarovana sy azo lazaina koa hoe fitaovam-piadiana angaredona. Mbola isany ihany koa ny mpanao politika nosakanana mpitandro filaminana maro tsy hanao fanambarana teny amin’ny Yandy By Pass. Omaly avokoa izany tranga mainty na “série noir”, araka ny teny vahiny izany, no niseho teto amin’ity firenena ity.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Rahampitso no hanao ny lalao fanokafana ny Lalao Olaimpika 2024 any Paris.

Card image cap
25-juil-2024

Raha rahampitso ny lanonana ofisialy hanokafana ny lalao olaimpika na JO 2024 tanterahana any Paris,

Card image cap
24-juil-2024

Vaovao mahafaly ny fiverenan'i Kendji Van Boto milalao indray taorian'ny ratra nahazo azy.

Card image cap
24-juil-2024

Vaovao tsara ho an'ny basketball malagasy ny fifindran'i Mathias M'Madi

Card image cap